Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 12:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Anjely no nitolomany ka nandresy azy. Nitomany i Jakôba sady nifona taminy. Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra ka nitenenan’Andriamanitra taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery; nitomany izy sady nifona Taminy. Nahita azy tao Betela Izy ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Anjely no nitolomany ka nandresy azy. Nitomany i Jakôba sady nifona taminy. Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra ka nitenenan’Andriamanitra taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Niady tamin’ilay Anjely ka nandresy azy; nitomany sy nifona taminy; dia nahita azy tao Betela indray, ary tao no niresahan’Andriamanitra tamintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Eny, nitolona tamin’Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery; nitomany izy sady nifona Taminy. Nahita azy tao Betela Izy ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 12:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Taitra tamin’ny torimasony i Jakôba ka nanao hoe: –Tena eto amin’ity toerana ity tokoa ny TOMPO, fa izaho no tsy nahalala.


Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.


Rehefa niverina avy tany Mezôpôtamia ambony i Jakôba, dia nisehoan’Andriamanitra indray sady notsofiny rano


TOMPO ô, maharitra mandrakizay ny lazanao; amin’ny taona rehetra ny fahatsiarovana Anao,


Toa efa lasa tany am-pasana aho fa novelominao indray, TOMPO ô; toa efa tany amin’ny fonenan’ny maty aho no nakarinao avy any.


Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.


Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an’ny sampy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra