Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 10:9 - DIEM PROTESTANTA

Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hatramin’ilay tany Gibea fahiny no efa nanotanao, ry Israely! Niziriziry tamin’izany izy; tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Efa nanota hatramin’ny andro, fony tany Gabaà, ianao, ry Israely; mikiribiby aman-keloka izy ireo. Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà ny ady voalaza hatao amin’ny zanaky ny faharatsiana?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hatramin’ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hatramin’ilay tany Gibea fahiny no efa nanotanao, ry Israely! Niziriziry tamin’izany izy; tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana!

Jereo ny toko



Hosea 10:9
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary hitan’ny TOMPO fa nitombo haratsiana ny olombelona teto an-tany, ka ny faniriana rehetra tao am-pony dia nirona ho amin’ny ratsy ihany mandavanandro.


Ary nony ren’ny TOMPO ilay hanitra ankasitrahiny, dia hoy IZY anakampo hoe: «Tsy mba hanozona ny tany intsony Aho noho ny amin’ny olombelona. Eny, manomboka amin’ny fahatanorany, dia mirona ho amin’ny ratsy ny fon’ny olombelona; koa tsy hamely ny miaina rehetra intsony toy izay nataoko Aho.


Sitrako ny hanafay azy, hoy Izaho TOMPO: ireo firenena no hifamory hamely azy ho valin’ny heloka roa nataony.


Ho rava ireo toeram-panasinana: izany no hadisoana sy fahotan’i Israely. Songosongo aman-tsilo no handadina ny alitarany. Amin’izay no hitenenana hoe: «Ry tendrombohitra, saròny izahay!» «Ry havoana, mianjerà aminay».


Tsofy ao Gibehà ny anjomara ary tsofy ao Ramà ny trompetra. Velomy ao Bety-Avena ny akoram-panairana. Tandremo ny ao an-damosinao, ry Benjamîna!


Nihoa-pampana ny faharatsianareo toy ny fahiny tany Gibehà. Nefa hotsaroan’ny Tompo ny helokareo, ary hoteteziny tsirairay ny fahotanareo.


Dia nisy nirongatra hamely ahy ny mponina tao Gibehà ka nanodidina ny trano nitoerako nony alina. Nikasa hamono ahy izy, ary nanolana ny vadikeliko ambara-pahafaty azy.