Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 10:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Sitrako ny hanafay azy, hoy Izaho TOMPO: ireo firenena no hifamory hamely azy ho valin’ny heloka roa nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Araka ny sitrako no hamaizako azy; hovorina hamely azy ny firenena amin’ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Sitrako ny hanafay azy, hoy Izaho TOMPO: ireo firenena no hifamory hamely azy ho valin’ny heloka roa nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Hofaizako araka ny sitrapoko izy ireo: ary ho tafangona hamely azy ny firenena, rehefa hafatotra amin’ny fahotany roa izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, Amin’ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Araka ny sitrako no hamaizako azy; hovorina hamely azy ny firenena amin’ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 10:10
20 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitady hevitra i Jerôbohama mpanjaka ka nanao ombilahikely volamena roa, ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: –Efa be izay niakaranareo matetika tany Jerosalema izay, ry Israely ô, koa indreo ny andriamanitrareo izay nitondra anareo niala tany Ejipta.


Voafolakao hiasa ny sahanao ve izy sy hitarika hersa eny an-dohasaha?


Noho izany ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, Ilay Maherin’i Israely, dia manao teny hentitra hoe: «Loza! hiala vonkina amin’ny mpanohitra Ahy Aho, ary hamaly faty amin’ireo fahavaloko!


Ianao no nandao Ahy sy niamboho Ahy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Koa nahinjitro hamely anao ny tanako mba handevona anao fa efa sasatry ny mandefitra Aho.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Haniraka mpanarato maro Aho mba hanarato azy; avy eo dia haniraka mpihaza betsaka koa Aho mba hihaza azy eny amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary hatrany an-tsefatsefaky ny harambato.


izao fanambaràn’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izao: «Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodîko ho ao afovoan-tanàna.


Noho izany, hovoriko mba hamely anao ireo lehilahinao rehetra izay nankamamy anao, na izay tianao na izay halanao. Rehefa vory avy amin’ny manodidina ireo, dia hasehoko azy ny fitanjahanao, ka ho hitany avokoa izany.


Hanamparako ny fahatezerako ianao ambara-pahafaka ny hasarotam-piaroko; amin’izay vao hionona Aho ka tsy hisafoaka intsony.


«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Anaingao famoriam-bahoaka hanafay azy roa, ary aoka hatolotra hampihorohoroina sy horobaina izy.


Noho izany dia navelako ho eo an-tanan’ny Asirianina sakaizany izay nahamaimay azy izy.


Hampihariko hatramin’ny farany ny fahatezerako ary hanaranako fo ny fahavinirako ka hampariko aminareo ny valifatiko. Amin’izay dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no niteny izany taminareo satria tsy zakako ny fivadihanareo, ka nampihariko taminareo hatramin’ny farany ny fahavinirako.


Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?


Faohin’ny tadio mitambolimbolina izy ka ho menatra noho ireo sorona nataony.


Kanefa hitovy ny hanjo ny mpisorona sy ny laîka; hofaiziko noho ny fitondrantenany izy, ary hatsingeriko aminy ny ratsy nataony.


Tsofy ny anjomara, fa ho toy ny voromahery ny fiantefan’ny loza amin’ny tanin’ny TOMPO. «Satria nandika ny fanekempihavanako ireo olon’i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO, ary nanohitra ny fampianarako.


Na dia nizara fanomezana tamin’ny firenen-kafa aza izy, dia tonga kosa ny fotoana hamoriako azy ankehitriny. Ary tsy ho ela izy dia hijaly noho izay hatambesatr’ilay mpanjakan’andriana.


Tezitra kosa ilay mpanjaka, hany ka nandefa miaramila handringana ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tanànany.


Araka izay nifalian’ny TOMPO hahasoa sy hahamaro anareo no hifaliany handringana sy handrava anareo; ka hofongorana ianareo tsy ho eo amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra