Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 10:11 - DIEM PROTESTANTA

11 I Efraîma dia ombivavy kely efa voafolaka tsara ary tia mively vary. Raha nahita ny vozony tsara tarehy aho, dia nanisy zioga azy: ka i Joda hiasa tany ary i Israely handravona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka i Efraima ka faly manosihosy vary; hasiako zioga ny vozony tsara tarehy. Horoahiko i Efraima, hiasa tany i Joda ary handravona azy i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 I Efraîma dia ombivavy kely efa voafolaka tsara ary tia mively vary. Raha nahita ny vozony tsara tarehy aho, dia nanisy zioga azy: ka i Joda hiasa tany ary i Israely handravona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 I Efraima dia ombivavy kely tsara folaka, finaritra ny hively vary. Izaho kosa hanisy jioga ny vozony tsara tarehy; i Efraima hampitarihiko kodiarana i Jodà hiasa; i Jakôba hitarika fihogo famakiam-bainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka Ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, Ary Jakoba handravona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka i Efraima ka faly manosihosy vary; hasiako zioga ny vozony tsara tarehy. Horoahiko i Efraima, hiasa tany i Joda ary handravona azy i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 10:11
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny tantsaha izay te hanao famafazana dia tsy revo miasa tany fotsiny na manoritsoritra sy mandamaka azy.


Sady nampian’i Jeremià hoe: –Izao manko no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Zioga vy no apetrako eny an-tsoroky ny firenena rehetra amin’ity faritany ity, ka hanompo an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy; eny, na dia ny bibidia aza dia hampanekeko azy koa.»


Toa ombivavy kely tsara tarehy i Ejipta! Kinanjo tamy avy any avaratra ny fihitra hanaikitra azy!


Mahazo mifaly sy miravo ianareo izao, ry mpamotika ny fananako! Mahazo mifalihavanja ianareo toy ny vantotr’ombivavy eny amin’ny ahi-maitso sy afa-mikiaka toy ny soavaly mpihazakazaka.


Notahitahîko ny fitarihana azy tamin’ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin’ny takolaka sady niondrika namahana azy.


Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.


Hoy ny TOMPO tamiko: «Mandehana indray ka tiava io vehivavy izay tiavin’ny lehilahy sakaizany io sady tena mpanitsakitsa-bady. Tiavo izy tahaka ny itiavako ny Israelita, na dia mihodina ho amin’ny andriamani-kafa aza izy sady tia ampempam-boaloboka.»


Fa mafy hatoka toy ny ombivavy tsy mety ziogaina i Israely. Koa nahoana ny TOMPO no hitondra azy toy ny zanak’ondry andrasana eny an-kijana?


Ry Israely ô! Aoka izay ny fetim-pifaliana mihoa-pampana toy ny fanaon’ireo firenen-kafa. Fa efa nanalavitra an’Andriamanitrao ianao tamin’ny fivarotan-tena nataonao sy tamin’ny fitiavan-karama maloto teny am-pivelezam-bary rehetra teny.


«Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna. Fa hataoko mahery ianareo, toy ny omby misy tandroka vy sy manan-kitro varahina, ka hanorotoro firenena maro. Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon’ny tany tontolo.»


Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.


Aza akombonareo ny vavan’ny omby mively vary.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra