21 Dia nandre ny hanitra ankasitrahana NY TOMPO ka hoy Izy tao am-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ny olona Aho; fa izay foronin’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony tahaka izay nataoko teo Aho.
21 Dia nandre hanitra mahafinaritra i Iaveh, ka i Iaveh nanao anakampo hoe: «Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona; fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra toy izay nataoko izay intsony Aho.
21 Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ny olona Aho; fa ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
21 Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
21 Dia nandre ny hanitra ankasitrahana NY TOMPO ka hoy Izy tao am-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ny olona Aho; fa izay foronin’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony tahaka izay nataoko teo Aho.
Farany ralehilahy na i Adama dia nilazan’ny TOMPO Andriamanitra hoe: –Satria nihaino ny feom-badinao ianao ka nihinana tamin’ny voan-kazo izay efa nandrarako anao tsy hohanina, dia voaozona ny tany noho ny fahadisoanao; tsy maintsy hiasa mafy ianao mba hahazoanao hanina mandritra ny andro rehetra hiainanao.
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noà: «Tapa-kevitra aho handringana ny olombelona. Fa noho ny aminy dia feno herisetra ny tany, koa hofongorako eto an-tany izy.
Ary hitan’ny TOMPO fa nitombo haratsiana ny olombelona teto an-tany, ka ny faniriana rehetra tao am-pony dia nirona ho amin’ny ratsy ihany mandavanandro.
Dia hoy IZY hoe: «Hofoanako tsy hisy ambonin’ny tany ny olombelona izay noarîko sy ny biby rehetra na lehibe na kely, hatramin’ny voro-manidina, satria manenina Aho tamin’ny nanaovako ireo.»
Avy eo dia halainao eny an-tanany ireo ka hodoranao hanetona eo ambony alitara miaraka amin’ny sorona dorana manontolo: ho sorona atolotra Ahy TOMPO izany, ka ho hanitra ankasitrahina ho AHY.
Isika rehetra dia tahaka ny ondry nania, fa samy efa nandeha tamin’ny lalantsika avy; ka nahatran’ny TOMPO tamin’ilay Mpanompony avokoa ny vokatry ny fahadisoantsika rehetra.
Nohenoiko tsara izay nolazainy fa tsy mitombina velively. Tsy misy mba manenina amin’ny haratsiany izy na mba manontany tena hoe: «Inona ity nataoko?» Fa samy mivily amin’izay maharevo azy avy izy tahaka ny soavaly miriotra amin’ny ady.
Miaraka amin’ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon’ny firenen-kafa ianareo sy hovoriko avy any amin’ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo no hanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason’ny firenen-kafa.
Izay mpanolotra no hanasa ny taovany sy ny tongony; fa ilay mpisorona kosa no hitondra azy rehetra ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
ary hosamahiny anelanelan’ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara, dia eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
Izay mpanolotra no hanasa amin’ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra, tahaka ny fanesorana azy amin’ny sorom-pihavanana, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
dia hanao sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, na koa sorona hafa ho fanalam-boady, na fanatitra an-tsitrapo, na fanatitra amin’ny fety. Hofidinareo hatao sorona amin’izany na omby na ondry na osy, ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY.
Nahalala an’Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto.
Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.
Ary ankehitriny, aoka ianao, ry mpanjaka tompoko, hihaino izay holazaiko aminao: raha ny TOMPO no manosika anao hanao izany amiko, aoka hampitony Azy ny sorona aterina aminy; fa raha olombelona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ny TOMPO izy satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ny tany nomen’ny TOMPO ka toy ny manao amiko hoe: «Mandehana manompo andriamani-kafa.»