Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 8:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Raha mbola tany koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana mihitsy ny famafazana sy ny fijinjana, ny hafanana sy ny hatsiaka, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Raha mbola maharitra koa ny tany dia tsy hanam-pitsaharana ny fotoam-pamafazana sy ny fotoam-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina ary ny andro sy ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Raha mbola tany koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana mihitsy ny famafazana sy ny fijinjana, ny hafanana sy ny hatsiaka, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Amin’izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanàna, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Raha mbola maharitra koa ny tany dia tsy hanam-pitsaharana ny fotoam-pamafazana sy ny fotoam-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina ary ny andro sy ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 8:22
9 Rohy Ifampitohizana  

Efa roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany Ejipta, kanefa ato anatin’ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana.


«Manana andro enina isan-kerinandro ianareo hiasanareo, fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra amin’ny raharahanareo ianareo na dia amin’ny fotoam-pamafazana sy fijinjana aza.


Iza no mametraka ny masoandro ho fanazavana amin’ny antoandro? Iza no mandidy ny volana aman-kintana ho fanazavana amin’ny alina? Iza no manetsika ny ranomasina mba hampisafoaka ny onjany? Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany. Fa izao no lazain’io TOMPO io:


fa tsy mba miteny anakampo hoe: «Aoka hananantsika fanajana ny TOMPO Andriamanitsika, fa Izy no nanome antsika ny orana amin’ny fotoany, dia ny oram-pararano sy ny oran-dohataona ka mitahiry ho antsika ireo herinandro izay voatendry ho fotoam-pijinjana.»


Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan’ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra