Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 6:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ary hitan’ny TOMPO fa nitombo haratsiana ny olombelona teto an-tany, ka ny faniriana rehetra tao am-pony dia nirona ho amin’ny ratsy ihany mandavanandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary hitan’NY TOMPO fa be ny faharatsian’ny olona tetỳ ambonin’ny tany, koa izay fisainana rehetra foronin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ary hitan’ny TOMPO fa nitombo haratsiana ny olombelona teto an-tany, ka ny faniriana rehetra tao am-pony dia nirona ho amin’ny ratsy ihany mandavanandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Hitan’i Iaveh fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra avy amin’ny fony isan’andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary hitan'i Jehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary hitan’NY TOMPO fa be ny faharatsian’ny olona tetỳ ambonin’ny tany, koa izay fisainana rehetra foronin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 6:5
24 Rohy Ifampitohizana  

Ny mponina tao Sôdôma dia tena ratsy toetra sady nanota mafy tamin’ny TOMPO.


Ary nony ren’ny TOMPO ilay hanitra ankasitrahiny, dia hoy IZY anakampo hoe: «Tsy mba hanozona ny tany intsony Aho noho ny amin’ny olombelona. Eny, manomboka amin’ny fahatanorany, dia mirona ho amin’ny ratsy ny fon’ny olombelona; koa tsy hamely ny miaina rehetra intsony toy izay nataoko Aho.


mainka moa izay faikan’olona feno fahalovana izay misotro heloka toy ny misotro rano?


Tianao hizorana ve ny lalam-pahagola izay falehan’ireo olon-dratsy,


Adala izay miteny anakampo hoe: «Tsy misy Andriamanitra!» Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo sady tsy mba misy manao ny tsara.


Izao no zavatra hany mba fantatro: Andriamanitra dia nanao ny olombelona mahitsy fo, saingy ireo no nampananosarotra zavatra maro.


Mitovy avokoa ny manjo ny olona rehetra: io no loza amin’izay rehetra atao eto ambonin’ny tany. Feno faharatsiana ny fon’ny olona ka fahadalana no ao aminy mandritra ny fiainany; avy eo anefa dia ho any amin’ny maty no hiafarany.


–Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon’olombelona. Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.


Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?


Dia nanontany ahy Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izao izay ataon’ny loholon’i Israely ao amin’ny miafina, fa samy manana toerana voatokana ho an’ny sampiny avy izy? Nefa manamarin-tena izy ka manao hoe: ‹Tsy mahita anay ny TOMPO fa efa nandao ny taninay Izy›. »


Ary hoy indray Izy tamiko: «Midira ianao ary jereo ny fomba ratsy maharikoriko ataon’ireo olona ireo eto.»


Satria avy ao am-pon’ny olona no ipoiran’ny sain-dratsy mahatonga azy hamono olona, haka vadin’olona, hijangajanga, hangalatra, hanao vavolombelona tsy marina, ary hanao vava ratsy.


Eny, tahaka ny tamin’ny andron’i Noà, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.


Toy izay nitranga tamin’ny andron’i Noà no ho tonga amin’ny andro hiavian’ny Zanak’olona.


dia tsy hety hamela heloka izany olona izany ny TOMPO; fa hanetroka aminy kosa ny fahatezeran’ny TOMPO sy ny fahasarota-piarony, ary hiafitra aminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, ka hovonoin’ny TOMPO tsy ho eo amin’izao tontolo izao ny fahatsiarovana azy.


Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin’ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin’ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain’olona no mankahala olona.


dia ireo fanahin’ny olona tsy nanaiky an’Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin’ny andro nanamboaran’i Noà ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noà valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin’ny rano.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra