Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 5:4 - DIEM PROTESTANTA

Taorian’ny nahaterahan’i Seta, dia mbola velona nandritra ny 800 taona i Adama, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny andron’i Adama taorianan’ny niterahany an’i Seta dia valonjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taorian’ny nahaterahan’i Seta, dia mbola velona nandritra ny 800 taona i Adama, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary ny andron’i Adama taorian’ny niterahany an’i Seta dia valon-jato taona, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny andron’i Adama taorian’ny niterahany an’i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny andron’i Adama taorianan’ny niterahany an’i Seta dia valonjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

Jereo ny toko



Genesisy 5:4
17 Rohy Ifampitohizana  

Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»


Rehefa feno 35 taona i Arpaksada, dia niteraka an’i Sela.


Taorian’ny nahaterahan’i Kenàna, dia mbola velona nandritra ny 815 taona i Enôsa, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.


Taorian’ny nahaterahan’i Mahalalèla, dia mbola velona 840 taona i Kanàna, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.


Taorian’ny nahaterahan’i Henôka, dia mbola velona 800 taona i Jereda, ary niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro.


Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Henôka, ka taorian’ny nahaterahan’i Metosèla dia mbola velona 300 taona izy ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.


Taorian’ny nahaterahan’i Lamèka, dia mbola velona nandritra ny 782 taona i Metosèla ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.


Rehefa feno 130 taona i Adama, dia niteraka zazalahy manahaka azy sy mitovy endrika aminy ary nantsoiny hoe Seta.


Taorian’ny nahaterahan’i Noà, dia mbola velona 595 taona i Lamèka, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.


Nisy 930 taona ny andro rehetra niainan’i Adama, dia maty izy.


Taorian’ny nahaterahan’i Enôsa, dia mbola velona nandritra ny 807 taona i Seta, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.


Ary Andriamanitra nitsodrano an’i Noà sy ireo zanany lahy hoe: «Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany.


Fa ianareo kosa dia maroa fara sy mihabetsaha eo amin’ny tany ary mitomboa be dia be eo aminy.»


Indro fanomezan’ny Tompo ireo zanaka maro; valisoa tokoa ny zaza nateraka.


Ny zanakay lahy anie ho toy ny zana-kazo: toy ny hazo tanora maroroka fitsiry! Ny zanakay vavy anie ho toy ny andry fehizoro, izay tsara sokitra toy ny any an-dapa!