Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 1:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Ary Andriamanitra nitahy azy ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany, dia mampanompoa azy. Manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy, ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Ary Andriamanitra nitahy azy ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany, dia mampanompoa azy. Manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 1:28
28 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitsodrano azy Andriamanitra nanao hoe: «Aoka ireo zava-miaina ao anaty rano hiteraka maro sy hihabetsaka ary hameno ny ranomasina; ary aoka ny voro-manidina hihabetsaka eny ambonin’ny tany!»


Hotahîko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahîko izy ka ho tonga razamben’ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin’ny taranany.


Ary ny momba an’i Jismahela dia efa nohenoiko ny hatakao; indro hotahîko izy, ka hataoko maro anaka ary hampitomboiko fatratra ny taranany. Hiteraka andriana 12 izy sady ho razamben’ny firenen-dehibe iray.


Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!


Nisehoan’ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: –Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin’i Abrahama mpanompoko.


Ary nony nahita ireo zaza amam-behivavy i Hesao, dia nanontany hoe: –Ary iza ireto miaraka aminao ireto? Hoy kosa i Jakôba hoe: –Ireo no zaza nomen’Andriamanitra ahy mpanomponao noho ny fahasoavany.


amin’ny alalan’ilay Andriamanitry ny rainao izay mamonjy anao, amin’ny alalan’ilay Andriamanitra Tsitoha izay mitahy anao, raiso ny fitahiana avy amin’ny orana izay mirotsaka avy any an-danitra, raiso ny fitahiana avy amin’ny rano izay mihanaka ao amin’ny fanambanin’ny tany ary raiso ny fitahiana izay hahamaro anaka ny vehivavy sy ny biby fiompy.


Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy, dia nitsodrano azy Izy ka niantso azy hoe olombelona tamin’ny andro nahariany azy.


Ary rehefa nanomboka nihamaro ny olona teto ambonin’ny tany ka niteraka zazavavy maro,


Avoahy koa ireo biby rehetra niaraka taminao, dia ny karazam-borona rehetra, ny biby rehetra isan-karazany na kely na lehibe, ary aoka hiparitaka eny ambonin’ny tany ireny, ka hitombo eny.»


Ary Andriamanitra nitsodrano an’i Noà sy ireo zanany lahy hoe: «Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany.


Fa ianareo kosa dia maroa fara sy mihabetsaha eo amin’ny tany ary mitomboa be dia be eo aminy.»


i Hamiela fahenina, i Jisakara fahafito, i Peholetahy faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy an’i Hôbeda-Edôma.


Ary niantso an’ilay Andriamanitr’i Israely i Jahebetsy ka nanao hoe: «Enga anie hotahînao tokoa aho, ka hohalalahinao ny taniko; ary aoka ny tananao homba ahy, ka hataonao lavitra ahy ny loza mba tsy ho zoim-pahoriana aho!» Dia nohenoin’Andriamanitra izay nangatahiny.


Hatoky azy noho ny tanjany ve ianao ka hamela ny asanao hovitainy?


Nandritra ny taona sisa niainan’i Jôba, dia heniky ny fitahian’ny TOMPO mihoatra noho ny taloha izy, fa nanana ondry 14 000, rameva enina arivo, omby miasa roa arivo ary borikivavy arivo izy.


Tahîn’ny Tompo izy ka mihamaro fatratra; ny biby fiompiny koa tsy avelany hihavitsy.


Ny lanitra dia an’ny TOMPO; ny tany kosa nomeny ny olombelona!


Satria ny mahantra henoin’ny TOMPO ary ny olony voagadra tsy mba ariany.


Fa nataonao latsaka kely noho ny anjely izy, ka nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana;


nampanjakainao amin’ny asan-tananao: nataonao ho eo an-tongony ny zava-drehetra,


Ny TOMPO no nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra namorona ny tany ka namolavola sy nanamafy azy, nefa tsy nahary azy ho foana fa nanao azy mba honenana. Io Tompo io dia indro milaza hoe: «Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.»


Hijery anareo am-pitiavana Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo ary hitazona ny fanekempihavanako aminareo.


raran-dry zareo ny fanambadiana; ary asainy fadina ny hanina sasantsasany. Hanina noarîn’Andriamanitra anefa ireny; ka ho an’ireo mpino sady mpahafantatra ny hafatra marim-pototra dia amim-pisaorana an’Andriamanitra no ihinanana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra