Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 1:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Ary hoy koa Izy hoe: «Indro omeko ho anareo eran’ny tany tontolo ny zava-maniry rehetra mamokatra voa, ary ny hazo rehetra mamokatra voankazo: ireny voanjavatra sy voankazo fihinana ireny no ho sakafonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Ary hoy koa Izy hoe: «Indro omeko ho anareo eran’ny tany tontolo ny zava-maniry rehetra mamokatra voa, ary ny hazo rehetra mamokatra voankazo: ireny voanjavatra sy voankazo fihinana ireny no ho sakafonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Ary hoy Andriamanitra: «Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany, mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana ho anareo ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 1:29
22 Rohy Ifampitohizana  

Ary IZY nandidy an-draolombelona hoe: «Azonao ihinanana avokoa ny voa avy amin’ny hazo rehetra ao amin’ny zaridaina;


Ianao kosa, maka amin’ny karazan-tsakafo rehetra mety ho fihinana, ka angony eo aminao mba ho sakafonao sy ho sakafon’izy ireo koa.»


Izay rehetra velona sy mihetsiketsika dia omeko ho sakafonareo avokoa tahaka ny nanomezako ny anana ho anareo.


Amin’ireny no anafaizany ny vahoaka na anomezany azy hanina betsaka.


Omeny sakafo ireo matahotra Azy; tsaroany lalandava ny fanekempihavanany.


Ny lanitra dia an’ny TOMPO; ny tany kosa nomeny ny olombelona!


ary manome sakafo ny manana aina rehetra; –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


ka manome rariny ny ampahorîna ary manome sakafo ny noana. Ny TOMPO mamaha ny mpifatotra;


manome sakafo ny biby fiompy sy ny zana-goaika mitoreo.


Salamo nataon’i Davida An’ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy. Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy:


Izany olona izany no honina eny amin’ny toerana avo tsy hay anihina; ny harambato mafy no ho fialofany, homena hanina sahaza azy izy ary hiantohana rano hosotroiny.


Noho izany, Izaho TOMPO hamefy tsilo ny lalany ka hanampina izany; ary tsy hahita izay halehany izy.


Omeo anay anio ny hanina sahaza anay,


kanefa tsy navelan’Andriamanitra tsy hanana vavolombelona manambara Azy ny tenany amin’ny fanasoavana anareo: fa Izy no mandatsaka ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo hampahavokatra ny tany ara-potoana ary manome hanina anareo hameno fifaliana ny fonareo.


satria «Ao aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika ary isiantsika.» Izany indrindra koa no nilazan’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: «Avy amin’Andriamanitra no ipoirantsika.»


raran-dry zareo ny fanambadiana; ary asainy fadina ny hanina sasantsasany. Hanina noarîn’Andriamanitra anefa ireny; ka ho an’ireo mpino sady mpahafantatra ny hafatra marim-pototra dia amim-pisaorana an’Andriamanitra no ihinanana azy.


Anaro ireo mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy mateza, fa amin’Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra