Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin’ny TOMPO ka nanao hoe: –Abrahama ô! Abrahama ô! Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy: –Inty aho.
Genesisy 48:16 - DIEM PROTESTANTA antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary ilay Anjely izay Mpamonjy ahy tamin’ny loza rehetra, Izy anie hitahy ireto zaza ireto! Aoka ny anarako sy ny anaran’i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy; ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ny tany anie izy ireo! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy! Baiboly Katolika ary ilay anjely namonjy ahy ho afaka tamin’ny loza rehetra, hitso-drano an’ireto zaza ireto. Aoka hantsoina amin’ny anarako, sy amin’ny anaran’i Abrahama sy i Isaaka razako izy; ary hitombo ho maro dia maro, eo amin’ny tany.» Baiboly Protestanta Malagasy ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy; ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ny tany anie izy. Malagasy Bible ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy. La Bible en Malgache ary ilay Anjely izay Mpamonjy ahy tamin’ny loza rehetra, Izy anie hitahy ireto zaza ireto! Aoka ny anarako sy ny anaran’i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy; ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ny tany anie izy ireo! |
Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin’ny TOMPO ka nanao hoe: –Abrahama ô! Abrahama ô! Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy: –Inty aho.
Dia hoy indray Izy hoe: –Izaho no Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra hidina any Ejipta ianao; fa hataoko firenena lehibe any.
Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.
I Jôsefa dia toy ny zava-maniry mahavokatra izay mirobona eo akaikin-doharano ka manan-drantsana tafahoatra ny fefy.
Fa hoy i Davida namaly an’i Rekaba sy i Bahanà mirahalahy, samy zanak’i Rimôna avy any Beerôta: –Velona ny TOMPO Izay nanafaka ahy tamin’ny loza rehetra,
Ary ny mpanjaka nanao izao fianianana izao taminy: –Velona ny TOMPO, Izay nanafaka ahy tamin’ny fahoriana rehetra,
kanefa raha amin’izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin’ny toe-dratsy fanaony, dia hihaino avy any an-danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny.
Niantso vonjy aho fa olo-mahantra ka nohenoin’ny TOMPO sy novonjeny tamin’izay fahoriako rehetra.
Ny anjelin’ny TOMPO miambina manodidina ny mpanaja an’Andriamanitra ka manafaka azy amin’ny loza.
Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.
hoy Ilay Mpanavotra anay. Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany, dia Ilay Masin’i Israely.
tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.
Nahoana no tahaka ny olona ankona ianao sy toy ny lehilahy mahery tsy afa-mamonjy? Kanefa dia eto afovoanay Ianao, TOMPO ô, ary izahay dia natokana ho Anao, koa aza arianao.
Amin’izay no hakan’i Israely ny tany sisa amin’i Edôma sy amin’ny firenena hafa rehetra izay nomarihina ny anarako hananako azy. Izaho Tompo no hahatanteraka izany.»
Ka hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo: «Indro Aho handefa ny irako mba hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny. Ho tonga hitondra ny fanekempihavanako ilay iraka izay irinareo; indro avy tokoa Izy!»
aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! *Amen.]
Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no ivavahako, fa ny hiarovanao azy amin’ilay Ratsy.
Dia hitady ny Tompo ny olona sisa, mbamin’ny hafa firenena rehetra izay efa voatokana ho fananako.
Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan’Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan’Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika.
ary nisotro fisotrom-panahy iray ihany izy rehetra; satria nisotro teo amin’ilay vatolampy ara-panahy tafara-dia taminy: ka izany vatolampy izany dia i Kristy.
Aoka isika tsy haka fanahy ny Tompo toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, izay maty voakaikitry ny bibilava.
dia hahita avokoa ny firenena fa ny anaran’ny TOMPO no antsoina aminareo, ka hatahotra anareo izy rehetra.
Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»
Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra afitsoka ahy ny Tompo ka hampandroso ahy soa aman-tsara ao amin’ny Fanjakàny any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.
I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.
Nony efa ho faty i Jakôba, dia finoana no nitsòfany rano tsirairay ny zanakalahin’i Jôsefa; ka niankina tamin’ny lohatehiny i Jakôba no nivavaka tamin’Andriamanitra.
Fa hoy i Josoa tamin’ny taranak’i Jôsefa, dia ny fokon’i Efraîma sy ny antsasa-pokon’i Manase tany andrefana: –Vahoaka marobe sady matanjaka tokoa ianareo, ka tsy anjara iray ihany no ho anareo.