Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 46:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Dia hoy indray Izy hoe: –Izaho no Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra hidina any Ejipta ianao; fa hataoko firenena lehibe any.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta ianao fa hataoko firenena lehibe any ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Dia hoy indray Izy hoe: –Izaho no Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra hidina any Ejipta ianao; fa hataoko firenena lehibe any.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Dia hoy Andriamanitra: «Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe ianao any.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta hianao, fa hataoko firenena lehibe any hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta ianao fa hataoko firenena lehibe any ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 46:3
24 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.


Taorian’ireo zavatra ireo, dia niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona.


Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;


Tsy maintsy ho tonga razamben’ny firenena lehibe sy matanjaka izy; ary amin’ny alalany no hitahiako ny firenena rehetra eto an-tany.


fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.


sady hoy koa Izy taminy: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mihamaroa sy mitomboa, ka hisy firenena sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao ary mpanjaka maro avy amin’ny taranakao.


Nipetraka tany Ejipta, tao amin’ny faritr’i Gôsena, ny Israelita. Nahazo zaratany tao izy, dia niteraka, ka nihamaro fatratra.


antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy!


Fa nandà i Jakôba ka nanao hoe: –Fantatro dia fantatro, anaka, fa ho tonga firenen-dehibe koa i Manase. Kanefa ny zandriny dia ho lehibe noho izy, ary ny taranany dia ho firenena maro.


Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran’ny Ejiptianina azy.


Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana.


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


Dia nanizingizina tamin’ireo sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalià nanao hoe: «Aza matahotra hanompo ny Babilônianina ianareo; monena amin’ny tany ary maneke ny mpanjakan’i Babilôna, fa hahasoa anareo izany.


ary nanao hoe: «Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy hanatrika ny amperôra rômanina ianao. Ary Andriamanitra, noho ny fitiavany anao, dia hamonjy ny ain’ireto olona rehetra miray sambo aminao.»


Rehefa nanakaiky ny fotoana hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama, dia nitombo ny firenentsika tany Ejipta ka tonga nihamaro be.


Efa nahamaro anareo ny TOMPO Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ianareo.


Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo.


Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra