Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 49:22 - DIEM PROTESTANTA

22 I Jôsefa dia toy ny zava-maniry mahavokatra izay mirobona eo akaikin-doharano ka manan-drantsana tafahoatra ny fefy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 I Josefa dia sampana mahavokatra; eny, sampana mahavokatra eo anilan’ny loharano; ny rantsany dia mananika mihoatra ny fefy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 I Jôsefa dia toy ny zava-maniry mahavokatra izay mirobona eo akaikin-doharano ka manan-drantsana tafahoatra ny fefy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 I Josefa no solofon-kazo mahavokatra, solofon-kazo mahavokatra amoron-doharano izy; Misandratra tafahoatra ny tamboho ny rantsany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 josefa dia sampana mahavokatra. Eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; Ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 I Josefa dia sampana mahavokatra; eny, sampana mahavokatra eo anilan’ny loharano; ny rantsany dia mananika mihoatra ny fefy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 49:22
19 Rohy Ifampitohizana  

Nantsoiny hoe Efraîma kosa ny faharoa, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra efa nampahamaro anaka ahy teto amin’ity tany nijalijaliako ity.»


Ampian’ireo zanakalahin’i Jôsefa anankiroa teraka tany Ejipta izany, dia fitopolo no isan’ny ankohonan’i Jakôba rehetra tonga tany Ejipta.


Taorian’izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin’i Jôsefa fa marary ny rainy. Dia nentin’i Jôsefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraîma.


Toy izao ny tsodrano nomen’i Jakôba an’i Jôsefa: Antsoiko Andriamanitra hitsodrano, fa teo anatrehany no nizoran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko; antsoiko Andriamanitra Izay nanolokolo ahy hatrizay niainako ka mandraka ankehitriny;


antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy!


Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.


Nampahory azy imbetsaka ireo mpitifitra tsipîka, ka nandefa zana-tsipîka hamelivelezana azy.


Hira fiakarana. Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO sy manaraka ny sori-dàlana nataony.


Ny vadinao eo an-tranonao dia toy ny voaloboka mahavokatra; ny zanakao manodidina ny latabatrao dia toy ny solofon’ôliva.


nodiovinao ny tany teo anoloany, koa namaka lalina izy ary nameno ny tany.


ka nisy rantsana mafy azo atao tehim-pahefàn’ny mpifehy; dia nisondrotra avo nitehi-drahona izy, ka nikoizana noho ny haavony mbamin’ny hamaroan’ireo rantsany.


Fa na dia miroborobo aza i Efraîma eo anivon’ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tànkina ny fantsakàny. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra