Manaraka izany dia nisy salohim-bary fito hafa koa nipoitra taorian’ireo ka malazo sady nanakofa ary main’ny rivotra avy any atsinanana.
Genesisy 41:6 - DIEM PROTESTANTA Avy eo dia nisy salohim-bary fito manakofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana nitrebona taorian’ireo; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary indreo, nisy salohim-bary fito maivam-boa kosa sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana, nitsimoka nanaraka ireny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia nisy salohim-bary fito manakofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana nitrebona taorian’ireo; Baiboly Katolika Nanaraka ireo indray nisy salohim-bary fito naniry sady mahia no main’ny rivotra avy any atsinanana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main’ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny. Malagasy Bible Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny. La Bible en Malgache Ary indreo, nisy salohim-bary fito maivam-boa kosa sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana, nitsimoka nanaraka ireny. |
Manaraka izany dia nisy salohim-bary fito hafa koa nipoitra taorian’ireo ka malazo sady nanakofa ary main’ny rivotra avy any atsinanana.
Ary renoka indray ny Farao ka nanonofy fanindroany: Indreo nisy salohim-bary fito vokatra be sady tsara amin’ny tahony iray.
ka ireto salohim-bary manakofa dia nitelina iretsy vokatra sady tsara. Dia taitra ny Farao ka nahatsapa fa nanonofy izy.
Voavoly tsara tokoa ny voaloboka kanefa tsy mety ho vanona. Raha vao tsofin’ny rivotra avy any atsinanana izy, dia ho maina tanteraka. Eo amin’ny tany tokony haniriany no hahamaina azy am-potony›. »
Kanefa nongotana an-katezerana izy ka natsipy tamin’ny tany. Ny rivotra avy atsinanana no nahamaina ny voany ka nampihintsana azy. Nihamaina koa ny rantsany mafy ka natao levon’ny ao.
Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen’i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.
Fa na dia miroborobo aza i Efraîma eo anivon’ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tànkina ny fantsakàny. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.
Koa rehefa niposaka ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra. Namely ny lohan’i Jônà ny masoandro ka nila hanafotra azy. Dia naniry ny ho faty izy ka nivavaka hoe: «Aleoko maty toy izay velona.»