Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 41:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ary renoka indray ny Farao ka nanonofy fanindroany: Indreo nisy salohim-bary fito vokatra be sady tsara amin’ny tahony iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Natory indray izy ka nanonofy fanindroany ka indro, hono, nisy salohim-bary fito niakatra tamin’ny tahony iray, sady matavy no tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ary renoka indray ny Farao ka nanonofy fanindroany: Indreo nisy salohim-bary fito vokatra be sady tsara amin’ny tahony iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Fa natory indray izy dia nanonofy fanindroany; ary indreo nisy salohim-bary fito sady vaventy no tsara tarehy, nisondrotra avy amin’ny tahony iray ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin’ny tahony iray, sady vokatra no tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Natory indray izy ka nanonofy fanindroany ka indro, hono, nisy salohim-bary fito niakatra tamin’ny tahony iray, sady matavy no tsara.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 41:5
4 Rohy Ifampitohizana  

Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny.


ary ireto ombivavy mahia dia nihinana iretsy matavy. Teo no taitra ny Farao.


Avy eo dia nisy salohim-bary fito manakofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana nitrebona taorian’ireo;


novokisany mena-drononon’omby, sy rononon’ondry aman’osy izy, nofahanany henan-janakondry sy ondrilahy matavy aman’osilahy ary notolorany vary tsara indrindra sy ranom-boaloboka ho divay fisotro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra