Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.
Genesisy 40:2 - DIEM PROTESTANTA Tezitra mafy tamin’ireo tandapany roa lahy ireo ny Farao, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nisafoaka tamin’ireo tandapany roa lahy ireo i Farao, dia tamin’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tezitra mafy tamin’ireo tandapany roa lahy ireo ny Farao, Baiboly Katolika Ka tezitra i Faraôna tamin’ireo manamboninahiny roa lahy ireo, dia ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lehiben’ny mpitantana mofo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tezitra indrindra tamin’ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofo. Malagasy Bible Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo. La Bible en Malgache Dia nisafoaka tamin’ireo tandapany roa lahy ireo i Farao, dia tamin’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofo. |
Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.
Ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro dia naveriny tamin’ny raharahany ka nanolotra ny tsangambava ho eo an-tanàn’ny Farao;
Indray mandeha dia tezitra mafy tamin’ny lehiben’ny mpanao mofo sy tamiko mpanomponao ianao, ka nampanao anay an-tranomaizina tao amin’ny lehiben’ny mpiambina.
I Simehỳ, avy any Ramà, no mpiandraikitra ny tanimboaloboka. I Zabdỳ, avy any Sefama, no mpiandraikitra ny tahirin-divay any amin’ny tanimboaloboka.
fony Ianao nitsangana hilaza ny fanapahan-kevitrao hamonjy ny malahelo rehetra eto amin’ny tany. Fiatoana
Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia iraka mahafaty; fa ny hendry kosa no manao izay hitonian’izany.
Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia mampatahotra toy ny fieron’ny liona; fa ny fitsimbinany kosa dia mahasoa toy ny ando amin’ny ahitra.
Mendrika handoa sazy ny olona lozabe; fa raha tsy atao izany izy, dia vao mainka hamerina indray.
Masiaka ny havinirana ary manafotra ny hatezerana, fa iza no mahajoro eo anoloan’ny fialonana?
Tezitra izaitsizy tamin’ny mponina tany Tiro sy Sidôna i Herôda. Ry zareo kosa anefa niray saina nanatona ny mpanjaka. Rehefa nahazo an’i Blasta mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho namana izy ireo, dia nangataka hanao raharaham-pihavanana tamin’i Herôda, satria ny tanin’ny mpanjaka no mamatsy ny faritr’i Tiro sy i Sidôna.