Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 40:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Taorianan’izany dia nahavita fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny mpitondra kapoakan’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny mpanao mofony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tatỳ aorian’izany dia sendra diso tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony, ny mpandroso divay sy ny mpitantana mofo, ao amin’ny mpanjakan’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY taorian’izany ny mpitondra kapoakan’ny mpanjakan’i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin’ny mpanjakan’i Egypta tompony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary taorian'izany ny mpitondra kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny mpanjakan'i Egypta tompony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Taorianan’izany dia nahavita fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny mpitondra kapoakan’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny mpanao mofony.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 40:1
10 Rohy Ifampitohizana  

Teny an-tanako ny tsangambavan’ny Farao ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan’ny Farao ilay tsangambava.


Ato anatin’ny telo andro dia hasandratry Farao ianao, ka haveriny eo amin’ny toeranao, ary hanolotra ny tsangambavan’ny Farao toy ny teo aloha araka ny maha lehiben’ny mpandroso zava-pisotro anao.


Nony hitan’ilay lehiben’ny mpanao mofo fa tsara ny hevitry ny nofy nambaran’i Jôsefa, dia hoy izy taminy: –Izaho koa mba nanonofy, ka nisy hono harona telo fitondrana mofo nololohaviko.


Tezitra mafy tamin’ireo tandapany roa lahy ireo ny Farao,


Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny.


Tamin’izay no niteny tamin’ny Farao ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, tsaroako ankehitriny ny fahadisoako.


Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon’ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason’ny amperôra! Mpandroso divay ho an’ny amperôra aho tamin’izay.


Tsy nahita tory ny amperôra tamin’iny alina iny ka nampaka ny boky fitadidiana milohateny hoe Asan’ireo amperôra; ary novakîna teo anatrehan’ny amperôra izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra