Niraisan’i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an’i Kaina izy, ary nanao hoe: «Nahazo zazalahy noho ny amin’ny TOMPO aho.»
Genesisy 38:4 - DIEM PROTESTANTA Mbola nitoe-jaza indray ravehivavy ka niteraka zazalahy nantsoiny hoe Onàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Onana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola nitoe-jaza indray ravehivavy ka niteraka zazalahy nantsoiny hoe Onàna. Baiboly Katolika Nanana anaka indray izy, dia tera-dahy, ka nataony hoe Onàna ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanan-anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana. Malagasy Bible Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana. La Bible en Malgache Nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Onana. |
Niraisan’i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an’i Kaina izy, ary nanao hoe: «Nahazo zazalahy noho ny amin’ny TOMPO aho.»
I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.
Ny zanakalahin’i Joda dia i Hera sy i Ônàna ary i Selà: izy telo lahy no naterak’ilay Kanahanita vadiny, dia ny zanakavavin’i Soha. Ary ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’ny Tompo ho faty.
Ny taranak’i Joda, araka ny tarika tao aminy, dia: ny Selanita avy tamin’i Sela; ny Peritsita avy tamin’i Peretsa; ny Zerahita avy tamin’i Zerà. Ny taranak’i Peretsa dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Hetsirônita avy tamin’i Hetsirôna ary ny Hamôlita avy tamin’i Hamòla. Ny zanak’i Joda roa lahy, i Hera sy i Ônana, anefa dia maty tany Kanahana.