I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.
Genesisy 38:3 - DIEM PROTESTANTA Nitoe-jaza ilay ramatoa ka niteraka zazalahy, izay nantsoin’i Joda hoe Hera. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Era. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitoe-jaza ilay ramatoa ka niteraka zazalahy, izay nantsoin’i Joda hoe Hera. Baiboly Katolika Nanana anaka ravehivavy dia tera-dahy, ary nataony hoe Era ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanan-anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era. Malagasy Bible Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era. La Bible en Malgache Dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Era. |
I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.
Ny zanakalahin’i Joda dia i Hera sy i Ônàna ary i Selà: izy telo lahy no naterak’ilay Kanahanita vadiny, dia ny zanakavavin’i Soha. Ary ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’ny Tompo ho faty.
Ny taranak’i Joda, araka ny tarika tao aminy, dia: ny Selanita avy tamin’i Sela; ny Peritsita avy tamin’i Peretsa; ny Zerahita avy tamin’i Zerà. Ny taranak’i Peretsa dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Hetsirônita avy tamin’i Hetsirôna ary ny Hamôlita avy tamin’i Hamòla. Ny zanak’i Joda roa lahy, i Hera sy i Ônana, anefa dia maty tany Kanahana.