Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 38:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Tany no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Sohà lehilahy kanahanita, ka nalainy ho vady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa lehilahy kananita iray; dia naka azy io izy ka nanambady azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Tany no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Sohà lehilahy kanahanita, ka nalainy ho vady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Teo no nahitany ny zanaka vavin’ny Kananeanina anankiray, atao hoe Soe, ka naka an’io ho vady izy, dia nandeha taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kana­nita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa lehilahy kananita iray; dia naka azy io izy ka nanambady azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 38:2
13 Rohy Ifampitohizana  

ka mianiàna amin’ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita izay miara-monina amiko.


Dia niantso an’i Jakôba i Itsehàka, ary nanao veloma azy sady nanafatrafatra hoe: –Aza maka vady amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita.


Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan’ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana.


Nahita an’i Dinà i Sekema zanakalahin’i Hamôra izay hivita lehiben’ny faritany, ka naka azy an-keriny sy nandry taminy.


I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.


dia hitan’ireo zanakalahin’andriamanitra fa tsara tarehy ireny zazavavy ireny, ka nifidianany izay ho vadiny.


Tamin’izany fotoana izany no nisian’ireo rapeton’olona goavambe teto an-tany, ary mbola nisy koa aza tonga taty aoriana izay teraka avy tamin’ny fifanambadian’ireo zanakalahin’andriamanitra sy ny zanakavavin’ny olombelona. Izy ireny no olo-mahery sady lehilahy nanan-daza fahagola.


Indray takariva dia niarina avy teo am-pandriany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tafon-trano marin-tampon’ny lapam-panjakana. Avy teny no nahatazanany vehivavy iray nandro. Tsara tarehy aoka izany ravehivavy.


Ny zanakalahin’i Joda dia i Hera sy i Ônàna ary i Selà: izy telo lahy no naterak’ilay Kanahanita vadiny, dia ny zanakavavin’i Soha. Ary ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’ny Tompo ho faty.


Ny taranak’i Joda, araka ny tarika tao aminy, dia: ny Selanita avy tamin’i Sela; ny Peritsita avy tamin’i Peretsa; ny Zerahita avy tamin’i Zerà. Ny taranak’i Peretsa dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Hetsirônita avy tamin’i Hetsirôna ary ny Hamôlita avy tamin’i Hamòla. Ny zanak’i Joda roa lahy, i Hera sy i Ônana, anefa dia maty tany Kanahana.


Aza miray petsapetsa amin’ny tsy mpino, fa tsy sahaza anareo ny miara-dia aminy. Satria ahoana no ikambanan’ny marina amin’ny ratsy fanahy? Ahoana no hiombonan’ny mazava amin’ny maizina?


Rehefa niverina izy, dia nitantara tamin’ny ray sy reniny hoe: –Nisy tovovavy filistinina iray tsikaritro tany Timnà, ka tiako hangatahinareo ho vadiko.


Dia nankany Gazà i Samsôna ka nahita mpivarotena iray tao, ary niditra tao aminy mba handry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra