–Tompokolahy ô, mba mihainoa anay: filoha notahin’Andriamanitra ianao teto anivonay, koa aleveno ao amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Tsy hisy aminay hisakana ny fasany tsy handevenana ny razana.
Genesisy 30:8 - DIEM PROTESTANTA dia hoy i Rahely hoe: –Efa niady mafy tamin’ny rahavaviko aho, ka nandresy! Dia nataony hoe Naftalỳ ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Rahely: Fitolomana faran’izay mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko ka nahery aho. Dia nataony hoe Naftaly ny anarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia hoy i Rahely hoe: –Efa niady mafy tamin’ny rahavaviko aho, ka nandresy! Dia nataony hoe Naftalỳ ny anarany. Baiboly Katolika ka hoy i Rasela: «Nifaninana tamin’ny rahavaviko teo amin’Andriamanitra aho ary nahery.» Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany. Malagasy Bible Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany. La Bible en Malgache Ary hoy Rahely: Fitolomana faran’izay mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko ka nahery aho. Dia nataony hoe Naftaly ny anarany. |
–Tompokolahy ô, mba mihainoa anay: filoha notahin’Andriamanitra ianao teto anivonay, koa aleveno ao amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Tsy hisy aminay hisakana ny fasany tsy handevenana ny razana.
Ary nony hitan’i Leà fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpà mpanompovaviny ka nomeny hovadîn’i Jakôba.
Mangataha amin’ny TOMPO mba hitsahatra ny kotro-baratra sy ny havandra, dia halefako ianareo fa tsy hotazoniko intsony.
Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihin’i Galilea, anatin’ny faritanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ.
Ny amin’ny taranak’i Naftalỳ, dia hoy i Mosesy hoe: «Ry fokon’i Naftalỳ, tototra tombontsoa ianao sady heniky ny fitahian’ny TOMPO. Aoka hitatra miankandrefana sy mianatsimo ny faritany anananao!»
Nihorohoro ny Filistinina tafajanona tao an-toby sy ny mponina rehetra teny manodidina; tera-kovitra ihany koa mbamin’ny miaramila lohalalana sy ny mpanao vy very ny ainy. Nihovitrovitra ny tany; ka dia nisy fangitakitahana lehibe dia lehibe.