Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.
Genesisy 28:10 - DIEM PROTESTANTA Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niala tany Bery-Sheba i Jakoba ka nankany Harana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna. Baiboly Katolika Dia niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna. Baiboly Protestanta Malagasy DIA nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana. Malagasy Bible Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana. La Bible en Malgache Dia niala tany Bery-Sheba i Jakoba ka nankany Harana. |
Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.
Dia nandeha araka izay nolazain’ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lôta. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Haràna.
Nalain’i Abrama i Saray vadiny sy i Lôta zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin’ireo mpanompo rehetra novidîny tao Haràna. Dia niainga izy ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Kanahàna ry i Abrama mianakavy.
Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.
Nanontany an’ireo mpiandry ondry i Jakôba hoe: –Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: –Avy any Haràna izahay.
Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»
Indray andro dia hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: –Miaingà, miakara any Betela ka mitoera any; ary manaova alitara eo ho an’ilay Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra an’i Hesao rahalahinao.
Ary nanamboatra alitara teo izy, ka niantso an’io toerana io hoe Andriamanitr’i Betela; satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy fony izy nandositra ny rahalahiny.
Niainga i Jakôba sy izay rehetra azy ka tonga tao Beera-Seba; dia nanao sorona teo izy ho an’ilay Andriamanitr’i Itsehàka rainy.
Nibaiko an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Mandehana, mialà amin’ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homeko ny taranany.
Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly.
Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kesaria i Agripà mpanjaka sy i Berenîka anabaviny hiarahaba an’i Festo.
Dia novaliany hoe: –Ianareo rahalahy sy ianareo ray aman-dreny, henoy aho. Ilay Andriamanitra be voninahitra dia niseho tamin’i Abrahama razantsika fony izy tany Mezôpôtamia fa mbola tsy nifindra monina tany Haràna.