Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 27:43 - DIEM PROTESTANTA

43 Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

43 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko: Mandehana mandositra ho any Harana, any amin’i Labana anadahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

43 Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

43 Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

43 Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miaingà ka mandosira ho any Harana, dia any amin’i Labana anadahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

43 Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i Labana anadahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

43 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko: Mandehana mandositra ho any Harana, any amin’i Labana anadahiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 27:43
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.


Ary nanana anadahy atao hoe Labàna anefa i Rebekà; dia nihazakazaka io nankany amin’ilay rangahy tany ivelany, teo am-pantsakana.


Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.


Namaly azy kosa ny reniny hoe: –Aoka ho ahy ny ozona, anaka; fa araho ny teniko ka mandehana akao ireo zanak’osy ireo aho.


Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty.


Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho ary ataovy izay andidiako anao.


Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna.


Koa nalefan’i Itsehàka ho any Mezôpôtamia ambony i Jakôba, ho any amin’i Labàna, zanakalahin’i Betoela izay aramianina sady anadahin’i Rebekà renin’i Hesao sy i Jakôba.


Nankatò an-drainy sy reniny tokoa i Jakôba ka lasa nankany Mezôpôtamia ambony.


Indray andro dia hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: –Miaingà, miakara any Betela ka mitoera any; ary manaova alitara eo ho an’ilay Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra an’i Hesao rahalahinao.


Ny olona izay miandranandrana amin-dray sy mamingavinga ny fahanteran-dreny dia hopotsirin’ny goaikan-driaka ny masony ary hohanin’ny voromahery ny tenany.


Fa i Jônadaba, zanakalahin’i Rekaba, dia nandidy ireo zanany mba tsy hisotro divay, ary nankatoavin’ny Rekabita ny teniny; ka tsy nikasika divay ireo mandraka androany, satria nitana ny hafa-drazany. Izaho anefa, na dia tsy nitsahatra nampitandrina anareo aza, dia tsy mba nohenoinareo akory.


Fa novalian’i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra