Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 11:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ary i Tera dia nitondra an’i Abrama zanany sy i Lota zafiny, zanak’i Harana, ary i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany. Niara-niala taminy tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana ireo. Tonga tao Harana izy ireo ka nonina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary Tera nitondra an’i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin’i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 11:31
20 Rohy Ifampitohizana  

ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.


Ary maty tao Haràna i Tera, rehefa feno 205.


Dia nandeha araka izay nolazain’ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lôta. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Haràna.


Nalain’i Abrama i Saray vadiny sy i Lôta zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin’ireo mpanompo rehetra novidîny tao Haràna. Dia niainga izy ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Kanahàna ry i Abrama mianakavy.


Nofaohiny niaraka tamin’ireo koa i Lôta zana-drahalahin’i Abrama izay nonina tao Sôdôma mbamin’ny fananany dia lasa izy ireo.


Ka hoy indray Izy taminy: –Izaho TOMPO no nampivoaka anao avy tany Ora any Babilônia mba hanomezako anao ity tany ity ho fanananao.


Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.


Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Milkà izay vadin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama.


Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.


Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna.


Fony noravan’ireo razako i Gôzàna, sy i Haràna ary i Retsefa mbamin’i Telasara renivohitry ny Hedenita, moa nahavonjy ireny firenena ireny ve ny andriamaniny.


Ianao no TOMPO Andriamanitra, Izay nifidy an’i Abrama ka nampiala azy tao Ora any Kaldea sy nanome anarana azy hoe Abrahama.


Fa raha tsy mbola tapitra akory ny tenin’io? dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: «Nasian’ny andian-jiolahy kaldeanina telo toko ny rameva ka norobainy; novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ny mpanomponao. Izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»


Fony nandrava an’i Gôzàna sy i Haràna ary i Retsefa mbamin’i Telasara renivohitry ny Hedenita ireo razako, moa nahavonjy ireny firenena ireny ve ny andriamaniny?


Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra