Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 26:1 - DIEM PROTESTANTA

Nisy mosary teo amin’ny tany, hafa noho izay niseho tamin’ny andron’i Abrahama; koa lasa i Itsehàka nankany amin’i Abimelèka mpanjakan’i Filistinina tao Gerara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy mosary indray teo amin’ny tany, ankoatra ilay mosary voalohany fony fahavelon’i Abrahama. Ary Isaka dia nankany amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, tany Gerara.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nisy mosary teo amin’ny tany, hafa noho izay niseho tamin’ny andron’i Abrahama; koa lasa i Itsehàka nankany amin’i Abimelèka mpanjakan’i Filistinina tao Gerara.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nisy mosary indray tamin’ny tany; hafa fa tsy ilay mosary fony fahavelon’i Abrahama. Ka lasa i Isaaka nankany Jerara amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY nisy mosary indray teo amin’ny tany, afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon’i Abrahama. Ary Isaka nankany amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, tany Gerara.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy mosary indray teo amin'ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon'i Abrahama. Ary Isaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'ny Filistina, tany Gerara.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy mosary indray teo amin’ny tany, ankoatra ilay mosary voalohany fony fahavelon’i Abrahama. Ary Isaka dia nankany amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, tany Gerara.

Jereo ny toko



Genesisy 26:1
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary nisy mosary tao amin’ny tany; ka rehefa nihamafy izany, dia nidina tany Ejipta ry i Abrama.


Taorian’ny nahafatesan’i Abrahama, dia notahîn’Andriamanitra i Itsehàka zanany, izay nonina tao akaikin’ny fantsakana Lahay-Rôy.


Ary nomen’i Jakôba mofo sy voanemba masaka i Hesao ka nihinana sy nisotro. Avy eo izy dia niainga ary lasa nandeha fa tsy niraharaha ny fizokiany.


Dia tonga hividy vary tany Ejipta toy ny hafa ireo zanakalahin’i Jakôba, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanahàna.


Mbola nanindry mafy tany Kanahàna ny mosary.


Nisy mosary naharitra telo taona misesy tamin’ny andron’i Davida. Nanontany ny TOMPO momba izany i Davida ka novaliany hoe: –Avy amin’i Saoly sy ny fianakaviany lian-dra izao, satria i Saoly no namono nahafaty ny Gibehônita.


Nibaiko an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Mandehana, mialà amin’ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homeko ny taranany.


Tamin’ny andro nitondran’ny Mpitsara tao Israely, dia nisy mosary tao amin’ny tany. Koa nisy lehilahy iray avy ao amin’ny Betleheman’i Joda nandeha nifindra monina tany amin’ny faritr’i Môaba niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.