Taorian’ny nahaterahan’i Tera, dia mbola velona 119 taona i Nahôra, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
Genesisy 24:4 - DIEM PROTESTANTA Fa handeha ho any amin’ny tany fiaviako sy amin’ny havako ianao, ka haka vady ho an’i Itsehàka zanako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa any amin’ny tanindrazako sy any amin’ny havako no halehanao haka vady ho an’Isaka zanako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa handeha ho any amin’ny tany fiaviako sy amin’ny havako ianao, ka haka vady ho an’i Itsehàka zanako. Baiboly Katolika fa any amin’ny tanindrazako, any amin’ny tany niaviako, no halehanao haka vady ho an’Isaaka zanako.» Baiboly Protestanta Malagasy fa any amin’ny tanin-drazako sy amin’ny havako no halehanao haka vady ho an’Isaka zanako. Malagasy Bible fa any amin'ny tanin-drazako sy amin'ny havako no halehanao haka vady ho an'Isaka zanako. La Bible en Malgache Fa any amin’ny tanindrazako sy any amin’ny havako no halehanao haka vady ho an’Isaka zanako. |
Taorian’ny nahaterahan’i Tera, dia mbola velona 119 taona i Nahôra, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
Hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Mialà amin’ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.
Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
«Mianiàna amiko fa any amin’ny fianakavian-draiko, any amin’ny foko nipoirako, no halehanao haka vady ho an’ny zanako.»
Dia namaly azy ilay mpanompo hoe: –Angamba tsy te hiaraka amiko ho atỳ amin’ity tany ity razazavavy, koa moa tsy maintsy haveriko any amin’ny tany izay efa nilaozanao ve ny zanakao?
Dia niantso an’i Jakôba i Itsehàka, ary nanao veloma azy sady nanafatrafatra hoe: –Aza maka vady amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita.
Miaingà ka mandehana any Mezôpôtamia ambony, any amin’i Betoela raibenao. Any ianao no makà vady amin’ny zanakavavin’i Labàna anadahin-dreninao.
Ka raha ny tany nialany no nahamanina azy, dia mbola nahita fotoana hiverenana any izy;
Fa namaly azy ny ray sy reniny hoe: –Angaha tsy misy tovovavy ato amin’ny fokonao na ato amin’ny firenenao manontolo no handeha haka vady any amin’izay Filistinina tsy mifora ianao? Fa hoy i Samsôna tamin’ny rainy: –Iny no mahafinaritra ahy, ka angataho ho vadiko.