Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 28:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Miaingà ka mandehana any Mezôpôtamia ambony, any amin’i Betoela raibenao. Any ianao no makà vady amin’ny zanakavavin’i Labàna anadahin-dreninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Miaingà ka mankanesa any Padana-Arama, any amin’ny tranon’i Betoela rain’ny reninao, dia makà vady any, avy amin’ny zanakavavin’i Labana anadahin-dreninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Miaingà ka mandehana any Mezôpôtamia ambony, any amin’i Betoela raibenao. Any ianao no makà vady amin’ny zanakavavin’i Labàna anadahin-dreninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Fa miaingà ianao, mankanesa any Padan-Arama, any amin’i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin’ireo zanaka vavin’i Labàna, anadahin-dreninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Miaingà ka mankanesa any Mesopotamia, any amin’ny tranon’i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin’ny zanakavavin’i Labana anadahin-dreninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Miaingà ka mankanesa any Padana-Arama, any amin’ny tranon’i Betoela rain’ny reninao, dia makà vady any, avy amin’ny zanakavavin’i Labana anadahin-dreninao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 28:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.


Ary nanana anadahy atao hoe Labàna anefa i Rebekà; dia nihazakazaka io nankany amin’ilay rangahy tany ivelany, teo am-pantsakana.


Fa handeha ho any amin’ny tany fiaviako sy amin’ny havako ianao, ka haka vady ho an’i Itsehàka zanako.


Dia namaly i Labàna sy i Betoela hoe: –Avy amin’ny TOMPO no niavian’izao zavatra izao ka tsy azonay iadian-kevitra.


Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.


Koa nalefan’i Itsehàka ho any Mezôpôtamia ambony i Jakôba, ho any amin’i Labàna, zanakalahin’i Betoela izay aramianina sady anadahin’i Rebekà renin’i Hesao sy i Jakôba.


Ary niainga i Jakôba ka nankany amin’ny tany atsinanana, dia ny tanindrazan-dreniny.


nentiny ny biby fiompiny rehetra sy ny fananany rehetra izay noharîny tany Mezôpôtamia ambony, dia nizotra hankany amin’i Itsehàka rainy, any amin’ny tany Kanahàna izy.


Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»


Rehefa niverina avy tany Mezôpôtamia ambony i Jakôba, dia tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema izay eo amin’ny tany Kanahàna; dia nitoby teo akaikin’ny tanàna izy.


Rehefa niverina avy tany Mezôpôtamia ambony i Jakôba, dia nisehoan’Andriamanitra indray sady notsofiny rano


Ireo no zanakalahin’i Jakôba naterak’i Leà tany Mezôpôtamia ambony, miampy an’i Dinà anabaviny. Ny isan’izy rehetra mbamin’ny zanany na lahy na vavy dia telo amby telopolo.


Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly.


Tany Mezôpôtamia ambony no nandosiran’i Jakôba; fa mba hahazoany vady, dia nanompo olona i Israely. Eny, lasa mpiandry ondry izy mba hahazoam-bady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra