Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 21:9 - DIEM PROTESTANTA

Indray andro dia hitan’i Sarà nilalao ny zanakalahin’i Hagara ejiptianina, izay naterany ho an’i Abrahama;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hitan’i Saraha fa nihomehy azy ny zanak’i Hagara ejiptiana, izay naterany tamin’i Abrahama.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indray andro dia hitan’i Sarà nilalao ny zanakalahin’i Hagara ejiptianina, izay naterany ho an’i Abrahama;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ilay zanak’i Agara Ejiptianina naterany tamin’i Abrahama kosa, hitan’i Sarà fa nihomehy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak’i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin’i Abrahama.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hitan’i Saraha fa nihomehy azy ny zanak’i Hagara ejiptiana, izay naterany tamin’i Abrahama.

Jereo ny toko



Genesisy 21:9
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Saray, vadin’i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy


Dia niteraka zazalahy i Hagara ka nataon’i Abrama hoe Jismahela ny anarany.


Ary ny momba an’i Jismahela dia efa nohenoiko ny hatakao; indro hotahîko izy, ka hataoko maro anaka ary hampitomboiko fatratra ny taranany. Hiteraka andriana 12 izy sady ho razamben’ny firenen-dehibe iray.


Rehefa lehibe ny zaza, dia nosarahi-nono. Koa nanao fanasana lehibe i Abrahama noho izany.


Dia notetezin’ireto iraka faingam-pandeha ny tanàna amin’ny faritra efraimita sy manasita ka hatrany amin’ny faritra zebolonita; fa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana ireo.


Saingy nihomehezan’ny vahoaka ireo irak’Andriamanitra sady nozimbazimbainy ny teniny; noesoesoiny ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ny TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.


Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy ireo tanora kokoa noho izaho, dia ny zanak’ireo olona nolaviko tsy ho naman’ny amboa mpiandry ondriko.


niantso vonjy taminao ka nafahanao, natoky Anao ka tsy diso fanantenana.


Ka dia izao no teny lazaiko amin’Andriamanitra Vatolampiko: «Nahoana moa Ianao no nanadino ahy? Nahoana aho no nampahorîn’ny fahavaloko ka manjary miaina mijoretra toy izao?»


Na ny zaza aza dia fantatra amin’ny ataony raha tsara sy mahitsy ny fitondrantenany.


Roahy ny mpaniratsira fa hitsahatra ny fifandirana, ary hifarana koa na ny ady na ny fanalam-baràka.


Amin’izany androm-pahoriana irenireneny izany no ahatsiarovan’i Jerosalema ireo zava-tsarobidy rehetra izay nananany hatry ny ela. Ireo vahoakany eo an-tanam-pahavalo kosa dia tsy misy mamonjy; ka rehefa mahita an’i Jerosalema ny fahavalony, dia mihomehy ny amin’ny faharavàny.


Fa izao no voasoratra ao: Nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny anankiray tamin’ny vehivavy mpanompo ary ny anankiray tamin’ny vehivavy tsy mpanompo.


Fahizany anefa, ilay teraka araka ny maha olombelona fotsiny dia nanenjika ilay teraka araka ny Fanahy Masina; dia tahaka izany koa ankehitriny.


ary ny sasany nesoina sy nokapohina mafy, ary nofatorana sy nahiboka am-ponja.