Dia nidina avy any an-danitra ny TOMPO mba hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay naorin’ny zanak’olombelona.
Genesisy 18:21 - DIEM PROTESTANTA Koa voatery hidina Aho mba hijery raha toa ka araka ny fitarainana tonga any amiko tokoa no nataony. Ho fantatro raha nanao izany rehetra izany izy na tsia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hidina Aho ka hizaha na tena nahavita izany tokoa, araka ny fitarainan’ny tany, izay tonga atỳ Amiko, izy ireo na tsia; raha tsy izany dia ho fantatro ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa voatery hidina Aho mba hijery raha toa ka araka ny fitarainana tonga any amiko tokoa no nataony. Ho fantatro raha nanao izany rehetra izany izy na tsia. Baiboly Katolika Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.» Baiboly Protestanta Malagasy hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro. Malagasy Bible hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro. La Bible en Malgache Hidina Aho ka hizaha na tena nahavita izany tokoa, araka ny fitarainan’ny tany, izay tonga atỳ Amiko, izy ireo na tsia; raha tsy izany dia ho fantatro ihany. |
Dia nidina avy any an-danitra ny TOMPO mba hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay naorin’ny zanak’olombelona.
Koa andeha isika hidina hanakorontana ny fiteniny mba tsy hifankahazoany fiteny intsony.»
Nijery Izy ka indro feno fahalovana ny tany, satria ny olombelona rehetra tambonin’ny tany no efa nanimba ny fitondrantenany avy.
Avy eny an-danitra eny ny TOMPO no miondrika hijery ny olombelona, hizaha sao mba misy olon-kendry izay mitady Azy tokoa.
Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
Ny TOMPO manko efa nandidy an’i Mosesy mba hilaza amin’ny Israelita hoe: «Vahoaka maditra mafy hatoka ianareo rehetra! Koa raha hiara-mandeha aminareo Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handevona anareo. Koa esory aminareo aloha ireo haingonareo, dia ho fantatro amin’izay ny hataoko aminareo.»
Ny fahotan’ireo vahoakan’i Joda dia voasoratra tamin’ny vy sy diamondra fanoratana. Tahaka ny voasokitra soratra amin’ny vatofisaka no mahavoasokitra izany ao am-pony sy eny an-joron’ny alitarany;
–Izaho TOMPO kosa dia mahita ny ao am-po sy mamantatra ny ao an’eritreritra. Koa araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany avy no hamaliako ny olona.
–Mitsangàna ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe. Torio ny amin’ny hamelezana azy, satria tafakatra eto anatrehako ny faharatsian’ny mponiny.
Fa indro ny TOMPO mivoaka ny toerany, ary midina ka mandeha eny am-paratampon’ny tany;
Amin’izay fotoana izay dia handray fanala Aho ary hosavaiko ny tanànan’i Jerosalema; ka hofaiziko ny olona izay mandry fahalemana toy ny faikan-divay efa mifetaka, dia izay manao anakampo hoe: «Sady tsy hanao soa ny TOMPO no tsy hanao ratsy!»
Fa hoy i Jesoa taminy: –Ianareo miseho ho marina eo imason’ny olona, kanefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo. Fa izay heverin’ny olona ho ambony, dia maharikoriko eo imason’Andriamanitra.
satria nidina avy tany an-danitra Aho tsy hoe hanao ny sitrapoko fa hanao ny sitrapon’Ilay naniraka Ahy.
Ahoana moa no ilazako izany? Satria tsy tiako ve ianareo? Andriamanitra no mahalala fa tiako ianareo!
Na dia tanteraka aza ny famantarana na zava-mahagaga nolazainy taminareo, kanefa avy eo izy manainga anareo hanaraka sy hanompo andriamani-kafa saingy andriamanitra tsy fantatrareo,
Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia.
Hisy baiko hatao antso avo ombàn’ny feon’arkanjely sy ny feon-trompetran’Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin’i Kristy no hitsangana ho velona voalohany;
Tsy misy zavaboaary miafina amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin’izay ataontsika.
–Ny TOMPO no Andriamanitry ny andriamanitra, eny, ny TOMPO no Andriamanitry ny andriamanitra! Izy dia mahalala ary ny Israelita rehetra koa hahalala ny anton’ny nanorenanay io alitara io. Raha ho fikomiana na ho fivadihana amin’ny TOMPO izany, dia aoka tsy hovonjeny izahay anio!