Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 15:2 - DIEM PROTESTANTA

Fa namaly i Abrama hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy i Abrama: Andriamanitra TOMPO ô, inona no homenao ahy? Izaho ity efa mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, koa ny ho mpandova ny fananako dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa namaly i Abrama hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa hoy ny navalin’i Abrama: «Iaveh Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezera avy any Damasa.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy i Abrama: Andriamanitra TOMPO ô, inona no homenao ahy? Izaho ity efa mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, koa ny ho mpandova ny fananako dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.

Jereo ny toko



Genesisy 15:2
21 Rohy Ifampitohizana  

Natsitokotokon’i Abrama ireo mpanompony mba hanafihana azy amin’ny alina. Dia resiny ireo mpanjaka, ka nenjehiny hatrany Hôbà, any avaratr’i Damasy.


Taorian’ireo zavatra ireo, dia niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.


inona no homenao ahy? Izaho ity ho faty tsy manan-taranaka; ary i Elihezera, mpitandrina ny ato an-tranoko, no handova ahy, satria ianao tsy nanome ahy taranaka.


Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.


Indray andro dia hoy i Abrahama tamin’ilay mpanompony tranainy indrindra tao an-tranony, izay mpifehy ny fananany rehetra: –Apetraho ato ambany feko ny tananao,


Nitaraina tamin’ny TOMPO ho an’ny vadiny i Itsehàka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin’ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebekà vadiny.


Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin’Andriamanitra?


Koa rehefa teo am-baravarana izy ireo, dia nanatona an’ilay mpikarakara ny tao an-tranon’i Jôsefa ka niresaka taminy hoe:


Avy eo i Jôsefa dia nandidy ny mpikarakara ny ao an-tranony hoe: –Fenoy hanina araka izay zakany ny kitapon’ireo lehilahy ireo, dia apetraho ao am-bavan-kitapon’ny tsirairay avy koa ny volany.


Indro fanomezan’ny Tompo ireo zanaka maro; valisoa tokoa ny zaza nateraka.


Ny fanantenana mihemo-dava dia mankarary fo; fa ny firarian-tsoa tanteraka kosa mampahazo aina.


Ny mpanompo hendry hisolongona ny zanaka manala baràka, ka handray anjara lova eo amin’ny mpirahalahy.


Hafatra momba an’i Damasy. Hitsahatra tsy ho tanàna intsony i Damasy, fa ho tonga korontam-bato sisa.


dia hanokanako takela-bato misy ny anarany eo amin’ny rindrin’ny tempoliko. Izany no tsara kokoa ho azy noho ny zanakalahy sy zanakavavy maro. Hampitoeriko eo mandrakizay ny anarany ka tsy hisy na inona na inona hahakosoka azy.»


Fanambaràna ny amin’i Damasy. Very hevitra ny ao Hamata sy Harpada! Kivy izy fa nandre ny vaovao ratsy. Manahy sy mitebiteby ny fony ka tsy azo notonena.


Tsy nisy faritra natolotr’Andriamanitra ho anjara lovan’i Abrahama teto na dia iray dia aza, saingy nampanantenain’Andriamanitra fa ity tany ity dia homeny azy ho fananany sy ho fananan’ny taranany handimby azy; ary mbola tsy nanan-janaka akory i Abrahama tamin’izany fotoana izany,


Dia namaly ilay mpanompo, lehiben’ny mpijinja, ka nanao hoe: –Ilay vehivavy môabita io, izay niaraka tamin’i Nahômỳ fony izy niverina tany amin’ny faritr’i Môaba.


sy voady izao: «Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, mba jereo tokoa ny alaheloko ka tsarovy fa aza hadinoina; raha mba omenao zanakalahy anankiray aho, dia hatolotro ho ANAO kosa izy amin’ny androny rehetra; ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.»