Ireto avy no taranak’i Tera, rain’i Abrama sy i Nahôra ary i Haràna. I Haràna dia niteraka an’i Lôta,
Genesisy 14:12 - DIEM PROTESTANTA Nofaohiny niaraka tamin’ireo koa i Lôta zana-drahalahin’i Abrama izay nonina tao Sôdôma mbamin’ny fananany dia lasa izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nobaboin’ireo niaraka tamin’ny fananany koa i Lota zana-drahalahin’i Abrama, dia lasa izy ireo nandeha. I Lota moa dia nonina tao Sodoma. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nofaohiny niaraka tamin’ireo koa i Lôta zana-drahalahin’i Abrama izay nonina tao Sôdôma mbamin’ny fananany dia lasa izy ireo. Baiboly Katolika I Lôta zana-drahalahin’i Abrama dia nobaboin’izy ireo hatramin’ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sôdôma i Lôta. Baiboly Protestanta Malagasy Ary namabo ny zana-drahalahin’i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin’ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota. Malagasy Bible Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota. La Bible en Malgache Nobaboin’ireo niaraka tamin’ny fananany koa i Lota zana-drahalahin’i Abrama, dia lasa izy ireo nandeha. I Lota moa dia nonina tao Sodoma. |
Ireto avy no taranak’i Tera, rain’i Abrama sy i Nahôra ary i Haràna. I Haràna dia niteraka an’i Lôta,
Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.
Nalain’i Abrama i Saray vadiny sy i Lôta zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin’ireo mpanompo rehetra novidîny tao Haràna. Dia niainga izy ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Kanahàna ry i Abrama mianakavy.
Nofaohin’ireo mpandresy avokoa ny haren’ny tao Sôdôma sy tao Gômôra mbamin’ny sakafo rehetra, dia lasa izy ireo.
Nony ren’i Abrama fa babo ny zana-drahalahiny, dia novoriny ireo valo ambin’ny folo sy telonjato lahy mpomba azy avy tao amin’ny fianakaviany; ka nanenjika ny fahavalo hatrany Dana izy.
Tafaveriny avokoa ny harena rehetra nobaboina sy i Lôta zana-drahalahiny mbamin’ny fananany ary ireo vehivavy mbamin’ny olon-kafa rehetra.
Raha tonga tampoka ny loza ka mahafaty ny tsy manan-tsiny, dia ihomehezan’Andriamanitra fotsiny ny fahoriana manjo azy ireo.
Niteny tamin’ny fiangonana izy nanao hoe: –Halaviro ny lain’ireo ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika izay azy akory, fandrao maty noho ny fahotany rehetra koa ianareo.
Dia reko nisy feo iray hafa koa avy tany an-danitra nanao hoe: «Mialà amin’io tanàna io ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiombom-pahotana aminy ary mba tsy hiharan’ny loza hanjo azy;