Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Niteny tamin’ny fiangonana izy nanao hoe: –Halaviro ny lain’ireo ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika izay azy akory, fandrao maty noho ny fahotany rehetra koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Dia niteny tamin’ny fiangonana izy hoe: Mialà amin’ny tranolain’ireo olon-dratsy ireo ary aza mikasika izay rehetra azy akory, fandrao haringana noho ny fahotany rehetra koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Niteny tamin’ny fiangonana izy nanao hoe: –Halaviro ny lain’ireo ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika izay azy akory, fandrao maty noho ny fahotany rehetra koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Ary niteny tamin’ny fiangonana Izy, nanao hoe: «Manalavira ianareo ny lain’ireto olon-dratsy ireto, ary aza mikasika izay azy, na inona na inona, fandrao dia ringana koa ianareo, azon’ny fahotany rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Dia niteny tamin’ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin’ny lain’ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa hianareo noho ny fahotany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Dia niteny tamin'ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin'ny lain'ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:26
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary nony efa tafavoakany tany ivelan’ny tanàna izy mianakavy, dia hoy ny anjely anankiray tamin’i Lôta: –Avoty ny ainao ka aza miherika any aoriana ary aza mijanonjanona na aiza na aiza ato amin’ny faritany; mandosira eny an-tendrombohitra, fandrao levona ianao.


Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!


Mandosira hiala an’i Babilôna ka samia manavo-tena ianareo, fandrao hiara-devona aminy noho ny sazim-pahotàny; fa fotoana famalian’ny TOMPO azy izao ka valiany araka ny sahaza azy izy.


Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin’i Datàna sy i Abirama sady narahin’ny loholon’i Israely.


Ary izay trano na tanàna tsy handraisan’ny olona anareo na tsy hihainoany teny anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin’ny tongotrareo.


Nahintsan’i Paoly sy i Barnabà ny vovoka teny amin’ny tongony ho fiampangana azy ireo, dia lasa izy roa lahy nankany Ikôniôma.


Fa hoy i Petera taminy: –Vereza miaraka amin’ny tenanao ny volanao satria nataonao fa azo vidîm-bola ny fanomezan’Andriamanitra.


Izany no ilazan’ny Tompo hoe: «Mialà teo aminy ka misaraha aminy; aza mikasika zavatra tsy madio, dia horaisiko ianareo.


angony eo afovoan’ny kianja ny entana rehetra voababo, ka dory avokoa na ny tanàna sy ireo entana ireo mba hafoy ho an’ny TOMPO Andriamanitra; dia ho tanàna aolo lalandava izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.


Aza maika loatra mametra-tanana amin’olona mba hanokana azy amin’ny asan’ny Tompo. Aza miombona ota amin’ny sasany; tahirizo madio ny tenanao.


Dia reko nisy feo iray hafa koa avy tany an-danitra nanao hoe: «Mialà amin’io tanàna io ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiombom-pahotana aminy ary mba tsy hiharan’ny loza hanjo azy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra