Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 14:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Nony ren’i Abrama fa babo ny zana-drahalahiny, dia novoriny ireo valo ambin’ny folo sy telonjato lahy mpomba azy avy tao amin’ny fianakaviany; ka nanenjika ny fahavalo hatrany Dana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary raha nahare i Abrama fa lasan-ko babo ny havany dia nitondra mpanompo valo amby folo sy telonjato izay teraka tao an-tranony sady efa nahay niady izy ka nanenjika azy hatrany Dana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Nony ren’i Abrama fa babo ny zana-drahalahiny, dia novoriny ireo valo ambin’ny folo sy telonjato lahy mpomba azy avy tao amin’ny fianakaviany; ka nanenjika ny fahavalo hatrany Dana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Vao ren’i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin’ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin’ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nitondra ny ompikeliny valo ambin’ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika hatrany Dana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 14:14
26 Rohy Ifampitohizana  

Noho ny aminy dia nasian’ny Farao soa i Abrama ka nomeny ondry aman’osy sy omby, mpanompo lahy sy vavy mbamin’ny boriky sy rameva.


Nalain’i Abrama i Saray vadiny sy i Lôta zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin’ireo mpanompo rehetra novidîny tao Haràna. Dia niainga izy ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Kanahàna ry i Abrama mianakavy.


Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: –Aoka tsy hisy fifandirana amintsika na amin’ny mpiandry ireo biby fiompintsika, satria olona mpihavana isika.


Nofaohiny niaraka tamin’ireo koa i Lôta zana-drahalahin’i Abrama izay nonina tao Sôdôma mbamin’ny fananany dia lasa izy ireo.


Tafaveriny avokoa ny harena rehetra nobaboina sy i Lôta zana-drahalahiny mbamin’ny fananany ary ireo vehivavy mbamin’ny olon-kafa rehetra.


inona no homenao ahy? Izaho ity ho faty tsy manan-taranaka; ary i Elihezera, mpitandrina ny ato an-tranoko, no handova ahy, satria ianao tsy nanome ahy taranaka.


Hoforana ny zazalahy rehetra eo aminareo isaky ny taranaka mifandimby, rehefa feno valo andro; tahaka izany koa ireo mpanompo teraka ao an-tranonao na novidînao vola ka tsy isan’ny fokonao.


Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.


mbamin’ny lehilahy rehetra tao an-tranon’i Abrahama, na ireo mpanompo teraka tao an-trano na ireo novidîny vola tamin’ny vahiny.


Nofidîko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin’i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.»


–Tompokolahy ô, mba mihainoa anay: filoha notahin’Andriamanitra ianao teto anivonay, koa aleveno ao amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Tsy hisy aminay hisakana ny fasany tsy handevenana ny razana.


Dia neken’i Bena-Hadada ny fangatahan’i Asà mpanjaka; ary nirahiny ireo filohan-tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka dia nahazo an’i Hiôna sy i Dana ary i Abela-Bety-Mahekà sy ny faritr’i Kinerôta mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo.


Injao ny Tompo mandefa hafatra, ka dia zavon-tany ny vehivavy mitondra ny vaovao manao hoe:


Ny namana dia izay tia amin’ny fotoana rehetra, ka miseho toy ny mpiray tampo izy amin’ny fahoriana.


Nampiditra mpiasa lehilahy sy vehivavy aho, ho fanampin’ny mpanompo efa nananako. Nanana omby sy ondry aman’osy betsaka noho ireo rehetra nodimbiasako teto Jerosalema aho,


Koa nanangona ny miaramilany rehetra izy ary niainga hanafika an’i Jismahela, ka nahatratra azy teo akaikin’ny farihin’i Gibehôna.


Dia niainga avy teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy ka niakatra nankany amin’ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon’i Pisgà, izay tandrifin’i Jerikao. Ary nasehon’ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr’i Gilehada tafapaka hatrany Dana;


Rey anaka, izao no fotoanandro farany. Araka ny efa renareo dia ho avy ilay antikristy, sady maro ny antikristy efa tonga sahady; ka izany no ahafantarantsika fa izao no fotoanandro farany.


Novàny ny anaran’i Laîsy izay niantsoana azy taloha ka nampitondrainy ny anaran’i Dana razambeny, izay zanakalahin’i Jakôba.


Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.


Tsy nisy tsy azony na kely na lehibe hatramin’ny zazalahy sy ny zazavavy ary ny harem-be, dia izay rehetra nobaboin’ny fahavalo. Tafaverin’i Davida avokoa izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra