Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 10:4 - DIEM PROTESTANTA

Ny zanakalahin’i Javàna dia i Elisà sy i Tarsisy ary i Kitima sy i Rôdanima.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zanakalahin’i Javana dia i Elisaha, i Tarsisy, ny Kitima ary ny Dodanita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zanakalahin’i Javàna dia i Elisà sy i Tarsisy ary i Kitima sy i Rôdanima.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Zanak’i Javàna: i Elisà sy i Tarsisa ary i Setima sy i Dôdanima.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny zanakalahin’i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zanakalahin’i Javana dia i Elisaha, i Tarsisy, ny Kitima ary ny Dodanita.

Jereo ny toko



Genesisy 10:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Ireo no zanakalahin’i Jafeta sady niavian’ny firenen-tsamihafa niparitaka any amin’ny nosy maro; ka samy nanana ny taniny araka ny fiteniny avy sy nanana ny fireneny araka ny fokony avy izy.


Ny zanakalahin’i Javàna dia i Elisà sy i Tarsisy ary i Kitima sy i Rôdanima.


Hafatra momba an’i Tiro. «Midradradradrà mafy ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô, satria rava ny serananareo.» Fony izy tonga avy any amin’ny nosy Sipra no nandrenesany izany vaovao izany.


Fa hoy ny Tompo hoe: «Tsy afaka hiravoravo intsony ianareo mponina ao Tsidôna fa afa-baràka toy ny virijiny naolana. Na hiainga aza ianareo ka hiampita hatrany amin’ny nosy Sipra, dia tsy hanam-pitsaharana any akory.


«Ny olon’i Tarsîsy no nifanao varotra taminao momba ny harena zavon-tany isan-karazany. Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka no natolony ho takalon’ny entanao.


Ireo sambo vaventy no mpitatitra ny entam-barotrao.» «Toa sambo feno entana ianao ka navesatra dia navesatra, teny anivon’ny ranomasina.


Hazo ôaka avy any Basàna no nanaovany ny fivoin-tsambonao. Hazo sedera avy any amin’ny nosy Kitima izay nasiana sisika ivoary no nanamboarany ny tokotanin-tsambonao.


Rongony madinika misoratsoratra avy any Ejipta no natao lain-tsambonao mba ho faneva hamantarana anao. Lamba miloko volomparasy sy jaky avy any amin’ny nosy Sipra no natao labasy hiarovana ny entanao.


Fa ho tonga hamely azy ny sambon’i Kitima, ary ho kivy izy ka hiverin-dalàna. Hisafoaka indray izy ka hanao izay hanoherana ny fanekempihavanana masina sady hifanaraka koa amin’ireo mivadika amin’izany fanekempihavanana izany.


Hisy sambo avy any Kitîma, mitondra olona hampahory ny Asirianina sy hampahory ny taranak’i Hebera; nefa ho lany ringana koa no hiafaran’ireo mpampahory ireo.»