Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 23:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Fa hoy ny Tompo hoe: «Tsy afaka hiravoravo intsony ianareo mponina ao Tsidôna fa afa-baràka toy ny virijiny naolana. Na hiainga aza ianareo ka hiampita hatrany amin’ny nosy Sipra, dia tsy hanam-pitsaharana any akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry Sidona zanakavavy, virijiny afa-baraka! Miaingà ianao ka mità ho any Kitima! Kanefa na dia any aza dia tsy hahita fitsaharana akory ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Fa hoy ny Tompo hoe: «Tsy afaka hiravoravo intsony ianareo mponina ao Tsidôna fa afa-baràka toy ny virijiny naolana. Na hiainga aza ianareo ka hiampita hatrany amin’ny nosy Sipra, dia tsy hanam-pitsaharana any akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ary hoy izy: «Tsy hanao fifaliana intsony ianao, ry virjiny afa-baraka, zanaka vavin’i Sidona! Mitsangàna, mità ho any Setima; na any aza anefa, tsy hisy fitsaharana ho anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony hianao, Ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 23:12
21 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Javàna dia i Elisà sy i Tarsisy ary i Kitima sy i Rôdanima.


I Zebolòna dia honina eo amoron-dranomasina, dia eo amin’izay hisy seranan-tsambo; hivelatra hatrany Tsidôna ny faritaniny.


Dia ity tokoa ve ilay tanànareo izay naresaka dia naresaka fahiny, sy efa niorina hatry ny ela ary nandeha nanjana-tany hatrany lavitra any?»


Izao no teny tononin’ny TOMPO hamelezana azy: Manao tsinontsinona sy maneso anao ny tanàna kanton’i Tsiôna, ry Saneheriba; mihifikifi-doha ho fanamavoana anao ny tanànan’i Jerosalema.


Midîna ambany ka mipetraha amin’ny vovoka, ry vahoaka mponin’i Babilôna, hoy ny TOMPO; mipetraha amin’ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: «Babilôna tsara tarehy» na «Babilôna mirenty».


Mipetraha mangina ianao ary misitriha any amin’ny maizina, ry renivohitry ny Kaldeanina, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: «tompovavin’ny fanjakana maro».


Izao kosa no teny holazainao aminy: Ny masoko anie hijononoka ranomaso andro aman’alina tsy an-kiato, satria goavana ny fahavoazan’ny vahoakako ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy.


Fa mba mandehana ange miampita any amin’ny nosy Kitima ka zahao, mba maniraha olona hanadihady any amin’ny Arabo ao Kedara, raha mahita toe-javatra tahaka izao any e!


Ry Ejipta mahonena, miakara hatrany Gilehada ka makà balsama ho anao... Nefa tsy ilaina ny hampitomboanareo ny fitsaboana satria tsy misy fanafody hahasitrana ny ferinao.


Nailikiliky ny Tompo ireo maheriko rehetra. Nanainga andian-tafika iray Izy hamely ahy mba afaka hanamontsana ireo zatovoko. Nohosihosen’ny Tompo toy ny voaloboka am-pamiazana aho, dia izaho Tsiôna, ilay tsara tarehin’i Joda.


Difotry ny fahoriana sy vesaram-panompoana no lasan-ko babo ny fokon’i Joda. Mitoetra any amin’ny hafa firenena izy izao kanefa tsy mahita hifaharana. Izay rehetra mpanenjika azy dia nahatratra azy an-katerena.


Rehefa tonga izy, dia misy miantsoantso hoe: Mihataha ianareo fa maloto izy, mihataha fa aza manatona azy. Raha mandositra izy nefa tsy mahita izay haleha dia hoy ny firenen-kafa hoe: «Tsy mahazo mijanona ela atỳ amintsika ireo!»


Hazo ôaka avy any Basàna no nanaovany ny fivoin-tsambonao. Hazo sedera avy any amin’ny nosy Kitima izay nasiana sisika ivoary no nanamboarany ny tokotanin-tsambonao.


Fa ho tonga hamely azy ny sambon’i Kitima, ary ho kivy izy ka hiverin-dalàna. Hisafoaka indray izy ka hanao izay hanoherana ny fanekempihavanana masina sady hifanaraka koa amin’ireo mivadika amin’izany fanekempihavanana izany.


Hisy sambo avy any Kitîma, mitondra olona hampahory ny Asirianina sy hampahory ny taranak’i Hebera; nefa ho lany ringana koa no hiafaran’ireo mpampahory ireo.»


Natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Israelita ireo ka resiny, nenjehiny nianavaratra hatrany Sidôna tanàn-dehibe sy hatrany Misrefôta-Maîma ary hatrany amin’ny lohasahan’i Mitsepà any atsinanana. Nasian’ny Israelita ireo ka tsy nisy niangana.


Dia tsy ho re ao aminao intsony ny mozika fanaon’ny mpitendry lokanga sy ny mpihira ary ny mpitsoka sodina sy ny mpitsoka trompetra; tsy ho hita ao aminao intsony ny mpiasa rehetra amin’ny taozavatra isan-karazany; tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny vato fikoseham-bary.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra