Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 23:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Efa naninji-tanana ny TOMPO, mba handrahonana ny ranomasina, efa nampangorohoro ny fanjakana maro Izy, ary efa nanome baiko handravana ireo tanàna mimanda teo amin’ny Kanahanita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Natsotrany teo ambonin’ny ranomasina ny tanan’NY TOMPO; nampihorohoroiny ny fanjakana; NY TOMPO efa nandidy ny amin’i Kanana mba handravana ireo mandany mafy orina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Efa naninji-tanana ny TOMPO, mba handrahonana ny ranomasina, efa nampangorohoro ny fanjakana maro Izy, ary efa nanome baiko handravana ireo tanàna mimanda teo amin’ny Kanahanita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 I Iaveh efa naninjitra ny tanany amin’ny ranomasina, nampihorohoro ny fanjakana; nanao didy hamelezana ny tanànany mimanda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ny tànan’i Jehovah nahinjiny tambonin’ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin’i Kanana, Mba horavana ny fiarovany mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 23:11
30 Rohy Ifampitohizana  

dia hoy izy hoe: Ho voaozona anie i Kanahàna! Aoka izy ho faraidiny amin’ireo mpanompon’ny rahalahiny!


Andriamanitra no eo anivony ka tsy hihontsona izy; Andriamanitra mamonjy azy raha ho avy ny maraina.


Aoka Ianao ho vatolampy miaro ahy sy ho manda ahitako famonjena! Ianao tokoa no harambato sady toera-mafy ho ahy.


Nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Ary ny TOMPO nampitsoka rivo-mahery avy any atsinanana nandritra ny alina manontolo ka nanosika ny ranomasina hanamaina azy. Nisaraka ny ranomasina,


Nirahiko izy hamely firenena tsy mpivavaka ary nalefako hamely vahoaka ratsy fanahy mba handroba sy hanangona babo avy aminy, ka hanosihosy azy toy ny fotaka eny an-dalambe.


Ny lanitra dia hihozongozona ary ny tany hihovitrovitra eo amin’ny toerany noho ny fahatezeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia amin’ny andro hirehetan’ny fahavinirany.


Fanapahan-kevitry ny TOMPO ho an’ny tany tontolo izany, ary hinji-tanana fandrahonana ataony amin’ny firenena rehetra.


Ny rano amin’i Neily dia ho ritra, ka ho tankina sy ho maina io ony io.


Aoka hiditra any amin’ny lava-bato sy ny zohy fierena ireo olona ireo, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra rehefa hirotsaka an-tsehatra Izy mba hampihorohoro ny tany.


«Voleo ny taninao, ry Tiro, ka ataovy toy ny eny amoron’i Neily, satria tsy hisy seranana intsony ho an’ny sambon’i Tarsisy.»


Izay afafy eny amoron’i Neily dia i Tsidôna no mioty azy; izy no mandray ny tombombarotr’ireo firenena.


Nataonao lasa antontam-bato ny tanàna, noravanao tokoa ny tanàna mimanda; tsy vanon-ko tanàna intsony ny lapan’ny mpiavonavona sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.


Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.


Nahoana, fony tonga Aho, no tsy nahita olona; nahoana, fony niantso Aho, no tsy nisy namaly? Ny tanako ve no fohy loatra ka tsy mahavonjy? Sa Izaho no tsy manan-kery hoenti-manafaka? Indro mandrahona fotsiny Aho, dia maina ny ranomasina na manjary taniefitra ny ony. Amin’izay, noho ny tsy fisian’ny rano, dia matin-ketaheta ny trondro ka maimbo.


Ahoana moa no hiatoany? Ny TOMPO no manome baiko azy; ary hamely an’i Askelôna sy ny tany amoron-dranomasina no tanjona nanendreny azy.»


Ho rakotry ny vovoka indaosin’ny soavaly betsaka ianao, ary hihovitrovitra ny mandanao noho ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny fingodongodon’ny kodiaran-kalesy. Tahaka ny ibosesehana eo amin’ny manda voabanga no hidiran’ny fahavalo eo amin’ny vavahadinao.


Horavany ny mandanao, ary harodany ny tilikambonao. Hofafako hatramin’ny vovotaninao ka vatolampy mangadihady no sisa havelako;


Rehefa nataoko izay hianjeran’io hazo io mba hidinany any amin’ny toeran’ny maty ho tafaraka amin’ireo efa tafidina any, dia nampihorohoroiko ireo firenena nony nandre ny fianjerany. Fa tany ambanin’ny tany kosa dia samy afa-po avokoa ireo hazon’i Hedèna, dia ireo hazo voafantina sady soa indrindra ary vonton-drano tao Libano.


Ny aminareo kosa, ry mponin’i Ninive, ny TOMPO dia efa nandidy hoe: «Tsy hisy taranaka hitondra ny anaranareo intsony. Hopotehiko ao an-tranon’andriamanitrareo ny sampy hazo voasikotra na metaly voarendrika. Manomana fasana ho anareo Aho, satria maivan-danja eo anatrehako ianareo.»


Hakorontako ambony ambany ny firenen-drehetra. Hoentina eto, ny hareny rehetra ary dia hofenoiko famirapiratana indray ity trano ity, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Eny, ny vilany rehetra izay any Jerosalema sy Joda dia ho voatokana ho an’ny Tompon’izao rehetra izao. Ary izay rehetra tonga hanolotra sorona no hampiasa ireny mba hahandroan-kena. Ary amin’izay fotoana izay dia tsy hisy mpivarotra intsony ao an-tranon’ny Tompon’izao rehetra izao.


Dia nampianatra ny olona i Jesoa ary nanao taminy hoe: –Tsy izao ve no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra»? Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren’ny mpangalatra!


ary hoy Izy tamin’ireo mpivarotra voromahailala: –Esory teo ireo, fa aza atao fivarotana ny tranon’ny Raiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra