Ny zanakalahin’i Jafeta dia i Gômera sy i Magôga, i Maday sy Javàna, i Tobala sy i Mesèka ary i Tirasa.
Genesisy 10:1 - DIEM PROTESTANTA Taorian’ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak’i Noà. Ireto no lisitry ny taranany: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireto no taranaky ny zanakalahin’i Noa, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy ireo taorianan’ny safodrano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak’i Noà. Ireto no lisitry ny taranany: Baiboly Katolika Izao no taranak’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanak’i Nôe. Nitera-dahy izy ireo taorian’ny safodrano. Baiboly Protestanta Malagasy ARY izao no taranaky ny zanakalahin’i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian’ny safo-drano. Malagasy Bible Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano. La Bible en Malgache Ireto no taranaky ny zanakalahin’i Noa, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy ireo taorianan’ny safodrano. |
Ny zanakalahin’i Jafeta dia i Gômera sy i Magôga, i Maday sy Javàna, i Tobala sy i Mesèka ary i Tirasa.
Izany no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny naharian’Andriamanitra azy. Fony nanao ny tany sy ny lanitra ny TOMPO Andriamanitra,
Ity no lisitry ny taranak’i Adama: Tamin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona, dia nataon’Andriamanitra manahaka Azy ny olombelona.
Izao no tantaran’i Noà: i Noà dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin’ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra.
Ary Andriamanitra nitsodrano an’i Noà sy ireo zanany lahy hoe: «Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany.
Izy telo lahy ireo no zanak’i Noà, ary avy tamin’ireo no niparitahan’ny olombelona eran-tany.
Fa ianareo kosa dia maroa fara sy mihabetsaha eo amin’ny tany ary mitomboa be dia be eo aminy.»
Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.