Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 8:6 - DIEM PROTESTANTA

Ka hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpiray firenena amiko sy ny fandringanana ireo iray firazanana amiko?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny fianakaviako?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpiray firenena amiko sy ny fandringanana ireo iray firazanana amiko?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny fianakaviako?

Jereo ny toko



Estera 8:6
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy afaka hiverina any amin’i dada aho, raha tsy miaraka amin’io zatovo io satria tsy ho zakako ny hahita an’i dada hiharan-doza.


ka niteny tamin’ny amperôra hoe: –Ho velona mandrakizay anie ianao, ry andriamanjaka! Nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako sady levon’ny afo ny vavahadiny?


Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana sy hovonoina ho ripaka; fa raha tàhiny namidy handevozina fotsiny izahay, dia ho nangina ihany aho satria tsy tokony hanahiranana anao izany fampahoriana izany.


Nigadona ny andro faha-13 tamin’ny volana faha-12 na volana Adara. Io andro io no natao hampiharana ny teny aman-didin’ny amperôra ary nantenain’ireo fahavalon’ny Jiosy haharesena azy. Kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jiosy indray no naharesy ny mpankahala azy.


Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.


Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.


Ry havana, ny irîn’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho an’ny Jiosy dia ny hahazoany famonjena.