Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 5:4 - DIEM PROTESTANTA

Dia novalian’i Estera hoe: –Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka ianao miaraka amin’i Hamàna anio ho tonga amin’ny fanasana izay efa nomaniko ho anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia namaly i Estera hoe: Raha sitraky ny mpanjaka dia aoka ny mpanjaka sy i Hamana ho tonga anio amin’ny fanasana izay efa namboariko ho azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia novalian’i Estera hoe: –Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka ianao miaraka amin’i Hamàna anio ho tonga amin’ny fanasana izay efa nomaniko ho anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin’ny fanasana izay efa namboariko ho azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin'ny fanasana izay efa namboariko ho azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia namaly i Estera hoe: Raha sitraky ny mpanjaka dia aoka ny mpanjaka sy i Hamana ho tonga anio amin’ny fanasana izay efa namboariko ho azy.

Jereo ny toko



Estera 5:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy indray i Itsehàka taminy: –Arosoy àry hihinanako izato hazan-janako mba hitsofako rano anao. Dia norosoany izy ka nihinana, ary nitondrany divay koa ka nisotro.


Nomeny baiko toy ny teo ihany koa ny faharoa sy ny fahatelo ary izay rehetra nanaraka ny andiam-biby hoe: –Izany teny izany no holazainareo amin’i Hesao, rehefa mifanena aminareo izy;


Tamin’izay i Vastỳ, vadin’ny amperôra, dia mba nanao fanasana ho an’ny vehivavy koa tao amin’ny lapan’i Kserksesa.


Noho ny baikon’ny amperôra, dia nandeha faingana ny iraka; ary navoaka tao Sosany renivohitra koa izany didy manan-kery izany. Dia nipetraka hisotro ny amperôra sy i Hamàna, fa very hevitra kosa i Sosany iray tanàna.


ary nanontanian’ny amperôra hoe: –Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.


Koa nampanantsoin’ny amperôra faingana i Hamàna mba hanaiky ny fiangavian’i Estera. Dia nankao amin’ny fanasana izay efa nomanin’i Estera ny amperôra mbamin’i Hamàna.


Izao no izy, ry andriamanjaka: raha mba mahazo fitia eo imasonao aho, ka sitrakao ny hanome izay angatahiko sy hanatanteraka izay tadiaviko, dia aoka ianao miaraka amin’i Hamàna ho tonga amin’ny fanasana izay homaniko ho anao rahampitso; amin’izay aho no hamaly ny fanontanianao.


tsara ny miantra sy ny mampisambotra ary ny mitantana asa fihariana amim-pahitsiana.


Manampatra hatezerana ny adala, fa mahatsindry fo kosa ny hendry.


Ry havako, aoka tsy ho zaza ianareo amin’ny fisainana; eny, raha momba ny ratsy dia aoka ho zaza ianareo, fa raha amin’ny fisainana dia aoka ho olondehibe.