Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 1:22 - DIEM PROTESTANTA

Nandefasany taratasy ny faritany rehetra manerana ny fanjakany, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony; notakina mba ho masi-mandidy ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra ary mba ho ny fitenim-pireneny no hampisain’ny ankohonany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nampitondra taratasy ho any amin’ny fari-piadidiana rehetra ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka izy, dia ny fari-piadidiana tsirairay araka ny fomba fanoratany avy ary ny firenena tsirairay araka ny fiteniny avy mba hahafehy ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra ary samy hiteny araka ny fiteniny avy ny firenena tsirairay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandefasany taratasy ny faritany rehetra manerana ny fanjakany, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony; notakina mba ho masi-mandidy ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra ary mba ho ny fitenim-pireneny no hampisain’ny ankohonany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka nampitondra taratasy izy ho any amin’ny isan-tokony amin’ny fanjakan’ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka nampitondra taratasy izy ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nampitondra taratasy ho any amin’ny fari-piadidiana rehetra ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka izy, dia ny fari-piadidiana tsirairay araka ny fomba fanoratany avy ary ny firenena tsirairay araka ny fiteniny avy mba hahafehy ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra ary samy hiteny araka ny fiteniny avy ny firenena tsirairay.

Jereo ny toko



Estera 1:22
11 Rohy Ifampitohizana  

Sitraky ny amperôra sy ireo minisitra ny torohevitr’i Memokàna, ka dia narahin’i Kserksesa.


Tamin’ny volana voalohany, andro faha-13, dia nantsoina ireo mpitantsoratry ny amperôra: Araka izay rehetra nandidian’i Hamàna no nanoratany taratasy ho an’ny solotenan’ny amperôra sy ho an’ny governora isam-paritany ary ho an’ny mpitondra isam-pirenena, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony. Tamin’ny anaran’i Kserksesa no nanasoniavana azy ka nasiana tombokase tamin’ny peratry ny amperôra.


Tamin’io andro io, andro faha-23 tamin’ny volana fahatelo na volana Sivàna, dia nantsoina ny mpitantsoratry ny amperôra. Araka izay rehetra nandidian’i Môrdôkay no nanoratany taratasy ho an’ny Jiosy sy ny solotenan’ny amperôra mbamin’ny governora sy mpitondra any amin’ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia. Taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony na araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny Jiosy no nataony.


Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: «Izay manao teny tsy voahevitra ny amin’ny Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.»


«Izaho Nebokadnetsara dia niadam-pinaritra tato an-dapako.


Noderain’ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin’ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan’Andriamanitra.


Tsy mamela azy hampianatra aho na hanjakazaka amin’ny lahy, fa tokony hangina: