Ren’ny Israelita rehetra izany fitsarana nataon’ny mpanjaka izany; ka dia nanaja azy ny olona, satria nahatsapa fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy hoentiny mitsara.
Estera 1:19 - DIEM PROTESTANTA Koa raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy didy havoakanao hisakanana an’i Vastỳ tsy hiseho eo anatrehanao intsony ary hanomezana ny voninahitra maha mpanjakavavy ho ana vehivavy hafa mendrika izany kokoa noho izy; izany didy izany dia hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy i Media ka tsy ho azo ovàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa raha sitraky ny mpanjaka dia aoka hisy didim-panjakana avy amin’ny mpanjaka hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy Media ka tsy azo ovana: Tsy hahazo hankeo anatrehan’i Ahasoerosy mpanjaka intsony i Vasty ary ny voninahiny dia aoka homen’ny mpanjaka ho an’izay vehivavy hafa tsara noho izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy didy havoakanao hisakanana an’i Vastỳ tsy hiseho eo anatrehanao intsony ary hanomezana ny voninahitra maha mpanjakavavy ho ana vehivavy hafa mendrika izany kokoa noho izy; izany didy izany dia hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy i Media ka tsy ho azo ovàna. Baiboly Protestanta Malagasy Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin’ny mpanjaka ka hosoratana ao amin’ny lalàn’i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan’i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr’i Vasty dia aoka homen’ny mpanjaka ho an’izay vehivavy hafa tsara noho izy. Malagasy Bible Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin'ny mpanjaka ka hosoratana ao amin'ny lalàn'i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr'i Vasty dia aoka homen'ny mpanjaka ho an'izay vehivavy hafa tsara noho izy. La Bible en Malgache Koa raha sitraky ny mpanjaka dia aoka hisy didim-panjakana avy amin’ny mpanjaka hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy Media ka tsy azo ovana: Tsy hahazo hankeo anatrehan’i Ahasoerosy mpanjaka intsony i Vasty ary ny voninahiny dia aoka homen’ny mpanjaka ho an’izay vehivavy hafa tsara noho izy. |
Ren’ny Israelita rehetra izany fitsarana nataon’ny mpanjaka izany; ka dia nanaja azy ny olona, satria nahatsapa fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy hoentiny mitsara.
Ary na dia izao anio izao aza, dia handre ny nataon’ity mpanjakavavy ny vadin’ireo manampahefana manerana an’i Persia sy i Media ka samy hamalivaly ny vadiny avy; ary ny hatezeran’ny lehilahy no ho vokatr’izany famingavingan’ny vehivavy izany.
Sitraky ny amperôra sy ireo minisitra ny torohevitr’i Memokàna, ka dia narahin’i Kserksesa.
Taorian’izany, rehefa nionona ny fahatezeran’ny amperôra Kserksesa, dia nahatsiaro izay efa nataon’i Vastỳ sy izay tinapaka ny aminy izy.
Koa raha sitrakao, dia aoka ianao hamoaka didy an-tsoratra mba handringanana azy; volafotsy 340 000 kilao kosa no haloako ho eo an-tanan’ireo mpandraharahanao mba harotsany ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.
ary nanao hoe: –Ry andriamanjaka, raha sitrakao sy ataonao ho mety ary raha mba mahazo fitia eo anatrehanao sy tsara eo imasonao aho, dia aoka hisy soratra hanova ireo taratasy voahevitr’i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga. Nosoratan’i Hamàna manko ireny taratasy ireny hampandringana ny Jiosy any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakanao.
Tsy azo foanana rehefa taratasy voasoratra tamin’ny anarako sy voatomboka tamin’ny peratro; kanefa manorata taratasy amin’ny anarako ianareo, araka izay sitrakareo mba hamonjena ny Jiosy, ka tombohy amin’ny peratro izany.
Tamin’izay dia nanome baiko ny mpanjaka mba halaina i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona. Dia niteny kosa ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniela hoe: «Andriamanitrao, Izay tompoinao fatratra, no hany hamonjy anao!»
Dia hoy i Samoela taminy: –Tahaka izany koa androany no hanendahan’ny TOMPO aminao ny fanjakan’i Israely mba homeny ho an’ny hafa izay mendrika kokoa noho ianao.