Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra sy moka nihanaka tamin’ny faritany manontolo.
Eksodosy 8:20 - DIEM PROTESTANTA Dia nanao araka izay efa nolazainy tokoa ny Tompo, ka nisy fihitra nivangongo niditra tao an-dapan’ny Farao sy tao an-tranon’ireo tandapany ary manerana an’i Ejipta manontolo. Koa simba ny tany noho ny nataon’ny fihitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nataon’NY TOMPO tokoa izany ka nisy fihitra be dia be tao amin’ny tranon’i Farao sy tao amin’ny tranon’ny mpanompony ary teny amin’ny tany Ejipta manontolo; koa simba ny tany noho ny fihitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanao araka izay efa nolazainy tokoa ny Tompo, ka nisy fihitra nivangongo niditra tao an-dapan’ny Farao sy tao an-tranon’ireo tandapany ary manerana an’i Ejipta manontolo. Koa simba ny tany noho ny nataon’ny fihitra. Baiboly Katolika Dia nataon’i Iaveh izany ka tongan’ny lali-be zavon-tany ny tranon’i Faraôna sy ny an’ny mpanompony, ary simban’ny lali-be daholo ny tany Ejipta manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nataon’i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin’ny tranon’i Farao sy tao amin’ny tranon’ny mpanompony ary teny amin’ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra. Malagasy Bible Ary nataon'i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin'ny tranon'i Farao sy tao amin'ny tranon'ny mpanompony ary teny amin'ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra. La Bible en Malgache Nataon’NY TOMPO tokoa izany ka nisy fihitra be dia be tao amin’ny tranon’i Farao sy tao amin’ny tranon’ny mpanompony ary teny amin’ny tany Ejipta manontolo; koa simba ny tany noho ny fihitra. |
Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra sy moka nihanaka tamin’ny faritany manontolo.
Taoriana kely dia nidina tao amin’i Neily mba handro ny zazavavin’ny Farao, ary ireo mpanotrona azy kosa nitsangantsangana teny amoron’ny ony. Nahatazana ilay sobika teo anivon’ny bararata izy ka naniraka ny mpanompovaviny iray haka azy.
Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.»
Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.»
Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe: –Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»
Dia hoy indray i Mosesy sy i Aharôna hoe: –Ilay Andriamanitry ny Hebreo, ilay TOMPO Andriamanitray, no niseho taminay. Koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro any an-taniefitra hanao sorona aminy, fandrao hamely anay amin’ny areti-mifindra na amin’ny ady Izy.
Koa mankanesa any aminy ianao rahampitso maraina, rehefa mivoaka hankeo amoron-drano izy. Ento eny an-tananao ilay tehina tonga bibilava, dia andraso eo amoron’i Neily izy.
Hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Asaovy ahinjitr’i Aharôna ny tanany mitana ny tehinao ho eny ambonin’ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy mba hiakaran’ny sahona ho eny amin’ny tany Ejipta.
Nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka niteny hoe: –Mandehana manatitra sorona amin’ny Andriamanitrareo, kanefa eto amin’ny tany ihany!
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehàna miseho eo anatrehan’ny Farao ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, aminao: ‹Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko.