Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko.
Eksodosy 7:6 - DIEM PROTESTANTA Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nataon’i Mosesy sy i Arona izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO azy no nataony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony. Baiboly Katolika Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy; izany no nataony. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nataon’i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian’i Jehovah azy no nataony. Malagasy Bible Dia nataon'i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian'i Jehovah azy no nataony. La Bible en Malgache Dia nataon’i Mosesy sy i Arona izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO azy no nataony. |
Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko.
Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.
Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.
Koa rehefa hitan’i Mosesy fa vita araka izay nandidian’ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano ny Israelita izy.
Dia nankao amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanatanteraka izay nandidian’ny TOMPO azy; natsipin’i Aharôna teo anatrehan’ny Farao sy ny mpanompony ny tehiny ka nanjary fanàny.
Ambarao amin’i Aharôna rahalahinao izay rehetra handidiako anao, ary izy kosa no hiteny amin’ny Farao mba handefasany ny Israelita hiala amin’ny taniny.
Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izay nandidian’ny TOMPO azy; ary teo imason’ny Farao sy ny tandapany no nanaingan’i Aharôna ny tehiny ka nikapohany ny ranon’i Neily, dia niova ho ra ny rano rehetra tao amin’ny ony.
Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin’izany fitiavako anareo izany, tahaka ny nitandremako ireo didin’ny Raiko sy itoerako ao amin’ny fitiavana Ahy.