Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 40:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Notanterahin’i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen’ny TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Dia nataon’i Mosesy izany, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Notanterahin’i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen’ny TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Dia nataon’i Môizy izay rehetra nandidian’i Iaveh azy, dia vitany araka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Dia nataon’i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah azy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Dia nataon’i Mosesy izany, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 40:16
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.


dia hohosoranao ilomasina toa an-drainy izy mba hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy. Noho izany hosotra izany, dia ho voatokana ho mpisorona raikitra ho Ahy izy sy ny taranany mifandimby.»


Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony.


Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.


Dia nankany Farà aho ary nafeniko tany ilay fehikibo araka izay nandidian’ny TOMPO ahy.


Dia nampanatonin’i Mosesy koa ireo zanakalahin’i Aharôna ka nampiakanjoiny akanjo lava sy noetràny fehikibo ary nametrahany satroboninahitra, araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy.


nodorany hanetona koa ny tsinainy sy ny tongony rehefa avy nosasany. Indray nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy: sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO, araka izay efa nandidiany an’i Mosesy.


Napetrany teo an-dohany kosa ny lamba satro-doha; ary napetrany teo anoloan’ilay satro-doha ny takela-bolamena, marika famantarana fa voatokana ho an’ny TOMPO i Aharôna, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


mifanaraka amin’ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Tao an-taniefitr’i Sinay no nanaovany ny fanisana.


Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Ny hany takîna amin’ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky.


Ary hoy indray i Mosesy hoe: «Ankehitriny, ry Israelita, henoy ny lalàna amam-pitsipika izay ampianariko anareo hotanterahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy hanana ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anareo.


Fa i Jesoa dia nahatoky an’Andriamanitra teo amin’ny andraikitra nanendreny Azy, nahatoky tahaka an’i Mosesy izay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo izy.»


Ary i Mosesy dia nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo, araka ny maha mpanompo azy, ka natao hanambara ny zavatra izay holazain’Andriamanitra amin’ny ho avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra