Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 6:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Dia nataon’i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Dia nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Dia nataon’i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 6:22
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.


Lahy sy vavy tamin’ireo zava-mananaina rehetra ireo no niditra tao, araka izay efa nandidian’Andriamanitra an’i Noà. Avy eo dia nohidin’ny TOMPO ny varavarana.


Dia nataon’i Noà izay rehetra nandidian’ny TOMPO azy.


dia tonga tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin’i Noà tao amin’ny sambofiara araka izay efa nandidian’Andriamanitra an’i Noà.


Notanterahin’i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen’ny TOMPO,


Avy eo dia novelarina teo ambonin’ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin’io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Naiditra tao amin’ilay fonena-masina ny Vatamasina, nahantona ny efitra lamba mba hanakonana ny Vatamasina, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


ary nalahatra teo amboniny ny mofo fanolotra ny TOMPO, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


dia narehitra ny jiro teo anatrehan’ny TOMPO, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


ary nodorana teo amboniny ny vovo-javamanitra, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Nisasa toy izany ireo isaky ny hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanatona ny alitara, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony.


Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny niverina tany amin’ny tanin’i Israely.


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo:


Dia hoy ny renin’i Jesoa tamin’ireo mpanompo: –Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra