I Rama no ray niteraka an’i Haminadaba; i Haminadaba no ray niteraka an’i Nahasôna izay filohan’ny taranak’i Joda.
Eksodosy 6:23 - DIEM PROTESTANTA I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Arona dia naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy i Abiho ary i Eleazara sy Itamara taminy izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Baiboly Katolika I Aarôna naka an’i Elisabeta, zanaka vavin’i Aminadaba, anabavin’i Naasôna, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an’i Nabada, i Abina, i Eleazara ary i Itamara. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Arona naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy. Malagasy Bible Ary Arona naka an'i Eliseba, zanakavavin'i Aminadaba sady anabavin'i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy. La Bible en Malgache Ary i Arona dia naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy i Abiho ary i Eleazara sy Itamara taminy izy. |
I Rama no ray niteraka an’i Haminadaba; i Haminadaba no ray niteraka an’i Nahasôna izay filohan’ny taranak’i Joda.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany.
Taorian’izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo tamin’i Israely.
«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.
Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna ary tamin’i Elehazara sy i Itamara zananilahy sisa velona: –Alao ny fanatitra lafarinina ambiny, rehefa nesorina ny ampahany nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO; dia ataovy mofo tsy misy leviora ka hano eo anilan’ny alitara, satria zava-masina dia masina izany sakafo izany.
Ary hoy kosa i Mosesy tamin’i Aharôna sy tamin-dry i Elehazara sy i Itamara zanany roa lahy hafa: –Aza avela hirakaraka ny volon-dohanareo ary aza triarina ny fanamianareo, fandrao dia ho faty eo koa ianareo sady hiharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireto Israelita rehetra tafangona. Fa ny mpiray firenena aminareo, izany hoe ny taranak’i Israely rehetra, no aoka hitomany, noho izy roa lahy nofaizin’ny TOMPO tamin’ny afo mandoro.
«Amin’ny lafiny atsinanana no hisy ireo tafika lohalaharana mivondrona ao anatin’ny tobin’i Joda, ka ahitana mifanila ny tafika jodeanina sy jisakarita ary zebolonita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Joda dia i Nahasôna zanakalahin’i Haminadaba, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 74 600; ho an’ny fokon’i Jisakara dia i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 54 400; ho an’ny fokon’i Zebolòna dia i Eliaba zanakalahin’i Helôna, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 57 400.
Koa ento, ry Mosesy, i Aharôna sy i Elehazara zanany hiakatra eo an-tendrombohitra Hôra.
Nesorin’i Mosesy ny akanjo fisoronana teny amin’i Aharôna ka nampanaovina an’i Elehazara zanany; ary maty teo an-tampon’ny tendrombohitra i Aharôna. Avy eo i Mosesy sy i Elehazara dia nidina ny tendrombohitra.
I Arama, ray niteraka an’i Haminadàba; i Haminadàba, ray niteraka an’i Nahasôna; i Nahasôna, ray niteraka an’i Salmôna.
Tamin’ny andron’i Herôda mpanjakan’i Jodea, dia nisy mpisorona natao hoe Zakarià, isan’ny antoko-mpisoron’i Abià. Taranak’i Aharôna mpisorombe ny vadiny ary i Elizabeta no anarany.
Maty koa i Elehazara zanakalahin’i Aharôna ka nalevina tao amin’ny havoana izay nomena an’i Pinehasa zanany lahy, tany amin’ny tendrombohitr’i Efraîma.