Matio 1:4 - DIEM PROTESTANTA4 I Arama, ray niteraka an’i Haminadàba; i Haminadàba, ray niteraka an’i Nahasôna; i Nahasôna, ray niteraka an’i Salmôna. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 i Arama dia niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba dia niteraka an’i Nasona; i Nasona dia niteraka an’i Salmona; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 I Arama, ray niteraka an’i Haminadàba; i Haminadàba, ray niteraka an’i Nahasôna; i Nahasôna, ray niteraka an’i Salmôna. Jereo ny tokoBaiboly Katolika4 i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 ary Rama niteraka an’i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’i Nasona; ary Nasona niteraka an’i Salmona; Jereo ny tokoMalagasy Bible4 ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache4 i Arama dia niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba dia niteraka an’i Nasona; i Nasona dia niteraka an’i Salmona; Jereo ny toko |
«Amin’ny lafiny atsinanana no hisy ireo tafika lohalaharana mivondrona ao anatin’ny tobin’i Joda, ka ahitana mifanila ny tafika jodeanina sy jisakarita ary zebolonita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Joda dia i Nahasôna zanakalahin’i Haminadaba, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 74 600; ho an’ny fokon’i Jisakara dia i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 54 400; ho an’ny fokon’i Zebolòna dia i Eliaba zanakalahin’i Helôna, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 57 400.
Toy izao manaraka izao ny fahatongavany nitondra ny fanomezany: tamin’ny andro voalohany dia i Nahasôna zanakalahin’i Hadaba, avy amin’ny fokon’i Joda; tamin’ny andro faharoa dia i Natanaela zanakalahin’i Tsohara, avy amin’ny fokon’i Jisakara; tamin’ny andro fahatelo dia i Eliaba zanakalahin’i Helôna, avy amin’ny fokon’i Zebolòna; tamin’ny andro fahefatra dia i Elitsora zanakalahin’i Sedeòra, avy amin’ny fokon’i Reobena; tamin’ny andro fahadimy dia i Selomiela zanakalahin’i Tsorisaday, avy amin’ny fokon’i Simehôna; tamin’ny andro fahenina dia i Eliasafa zanakalahin’i Dehoela, avy amin’ny fokon’i Gada; tamin’ny andro fahafito dia i Elisamà zanakalahin’i Hamihoda, avy amin’ny fokon’i Efraîma; tamin’ny andro fahavalo dia i Gamalièla zanakalahin’i Pedahatsoro, avy amin’ny fokon’i Manase; tamin’ny andro fahasivy dia i Abidàna zanakalahin’i Gidehônỳ, avy amin’ny fokon’i Benjamîna; tamin’ny andro fahafolo dia i Ahihezera zanakalahin’i Hamisaday, avy amin’ny fokon’i Dana; tamin’ny andro faha-11 dia i Pagihiela zanakalahin’i Hôkràna, avy amin’ny fokon’i Asera; ary tamin’ny andro faha-12 dia i Ahîra zanakalahin’i Henàna, avy amin’ny fokon’i Naftalỳ. Ireto manaraka ireto kosa ny fanomezana nentin’ny filoham-pianakaviana tsirairay avy: –lovia volafotsy iray milanja 1 300 grama, tsatokaty volafotsy famafazana iray milanja 700 grama araka ny ventin-danja fampiasa ao amin’ny Toeramasina; ireo fitaovana ireo dia samy feno lafarinina tsara toto sy voafeta menaka ho fanatitra; –zinga volamena iray milanja 100 grama feno vovo-javamanitra; –vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahikely iray izay iray taona avy, samy hatao sorona dorana manontolo; –osilahy iray hatao sorona fanalana ny ota; –ary ombilahy roa, ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahikely dimy izay iray taona avy, samy hatao sorom-pihavanana.