Koa hoy ny TOMPO hoe: «Tsy hitoetra mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko noho ny faniasiavany; amin’ny maha nofo azy dia ho 120 taona ny andro iainany.»
Eksodosy 4:21 - DIEM PROTESTANTA Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Amin’izao fiverenanao mankany Ejipta izao, indreo ireo famantarana rehetra izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao, fa Izaho hanamafy ny fony ka tsy handefa ny olona izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy. Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatananao ireo; hataonao eo anatrehan’i Faraôna ireo. Fa Izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta hianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tànanao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy. La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Amin’izao fiverenanao mankany Ejipta izao, indreo ireo famantarana rehetra izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao, fa Izaho hanamafy ny fony ka tsy handefa ny olona izy. |
Koa hoy ny TOMPO hoe: «Tsy hitoetra mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko noho ny faniasiavany; amin’ny maha nofo azy dia ho 120 taona ny andro iainany.»
Dia hoy izy: «Handeha aho, ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ireo mpaminanin’i Ahaba rehetra». Ary hoy indray ny TOMPO: «Ho voataonanao tokoa izy, sady zavatra manavanana anao izany; ndeha àry ka ataovy!»
Ny fon’ireo Ejiptianina novany hankahala ny vahoakany sy hanao kendry tohina amin’ireo mpanompony.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa ao amin’ny Farao, fa Izaho no nanamafy fo azy sy ireo tandapany mba hahazoako manao ireo zava-mahagaga rehetra eo anivony.
I Mosesy sy i Aharôna anefa dia efa nanao zava-mahagaga maro teo anatrehan’ny Farao, saingy ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita hiala tao amin’ny taniny izy.
Ary hoy Koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Raha toa tsy mihaino anao ny Farao, dia ny mba hahazoako mampitombo ny zava-mahagaga hataoko eo amin’ny taniny.
Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy.
Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin’ny Israelita izany araka ny torolalana.
Ary ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hanenjika ny Israelita izay niala tany Ejipta tamin-kalalahana.
Kanefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta raha tsy terem-pahefana mahery.
Izany no hanehoako ny fahefako tsy hay tohaina ka hamelezako an’i Ejipta amin’ny zava-mahagaga rehetra izay hataoko ao anatiny, ary aorian’izany vao halefany ianareo.
Kanefa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino an’i Mosesy sy i Aharôna araka izay efa nolazain’ny TOMPO rahateo.
Izaho anefa hanamafy fo ny Farao; ka na dia maro aza ireo famantarana sy zava-mahagaga izay hataoko ao amin’ny taniny,
Nony hitan’ny Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy fo izy araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna.
Dia hoy ireo mpimasy tamin’ny Farao: –Herin’Andriamanitra no ao amin’io tehina io! Kanefa ny Farao dia nanamafy ny fony, araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna.
Ary ny TOMPO nanamafy ny fon’ny Farao; koa arak’izay efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy, dia tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna izy.
Ary araka izay nambaran’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy, dia manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita.
Ataovy tonga mafy fo ity firenena ity ataovy tonga mafy sofina izy ary ataovy tonga jamba ny masony, fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre ary ny fony hahafantatra ka hiverina amiko izy ary ho sitrana.
TOMPO ô, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny lalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.
«Andriamanitra efa nanajamba ny mason’ireo sy nanamafy ny fony; hany ka ny masony tsy hahita, ny fony tsy hahafantatra, ary tsy hiverina amiko ireo mba hositraniko, hoy Andriamanitra.»
Nataon’ny olona ho tsinontsinona ny mahalala an’Andriamanitra, ka izany no nanoloran’Andriamanitra azy hoentin’ny sainy mibirioka, mba ho voatarika hanao ny tsy tokony hatao:
Koa izay tian’Andriamanitra hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo.
fofona mahafaty tokoa izany ho an’ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an’ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin’izany asa izany?
Manomboka hatreo Harôhera izay amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy ilay tanàna hafa anatin’io lohasaha io ihany, ka miafara any Gilehada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa natolotry ny TOMPO Andriamanitsika eo ambany fahefàntsika ny tanàna rehetra.
Ny TOMPO manko no nahatonga azy ireny ho mafy fo ka hihantsy ady tamin’ny Israelita mba handringanana azy tanteraka tsy misy indrafo, satria tsy maintsy naringana ireny araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
dia «vato mahasolafaka sy vato mampianjera» izany. Solafaka tamin’io vato io izy ireo satria tsy manaiky ny tenin’Andriamanitra, sady ny ho solafaka rahateo no nanendrena azy ireo.