Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 10:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Ary ny TOMPO manamafy fo ny Farao ka tsy mety handefa ny Israelita izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy nety namela ny olona handeha izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Ary ny TOMPO manamafy fo ny Farao ka tsy mety handefa ny Israelita izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna, ka tsy nety nandefa azy ireo i Faraôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary Jehovah dia nanamafy ny fon’i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy nety namela ny olona handeha izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 10:27
9 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa ao amin’ny Farao, fa Izaho no nanamafy fo azy sy ireo tandapany mba hahazoako manao ireo zava-mahagaga rehetra eo anivony.


Kanefa ny TOMPO mbola manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita izy.


I Mosesy sy i Aharôna anefa dia efa nanao zava-mahagaga maro teo anatrehan’ny Farao, saingy ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita hiala tao amin’ny taniny izy.


Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin’ny Israelita izany araka ny torolalana.


Ary ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hanenjika ny Israelita izay niala tany Ejipta tamin-kalalahana.


Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.


Koa izay tian’Andriamanitra hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo.


Kanefa ny olombelona, sisa tsy matin’ireo loza ireo, dia tsy niova toetra hiala tamin’ireo andriamanitra voatran’ny tanany, ka tsy nitsaha-nivavaka tamin’ny demony sy tamin’ny sampy volamena sy volafotsy sy halimo ary vato aman-kazo, sampy izay tsy afaka mijery na mandre na mamindra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra