Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 10:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Kanefa ny TOMPO mbola manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Kanefa ny TOMPO mbola manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nalefan’i Faraôna nandeha ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Nefa Jehovah nanamafy ny fon’i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 10:20
13 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa ao amin’ny Farao, fa Izaho no nanamafy fo azy sy ireo tandapany mba hahazoako manao ireo zava-mahagaga rehetra eo anivony.


Koa mampitsoka rivo-mahery avy any andrefana kosa ny TOMPO, rivotra izay mitondra ny valala, ka mamerina azy ireny tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara; dia tsy nisy valala tavela intsony tao amin’ny tany Ejipta manontolo na iray aza.


Ary ny TOMPO manamafy fo ny Farao ka tsy mety handefa ny Israelita izy.


I Mosesy sy i Aharôna anefa dia efa nanao zava-mahagaga maro teo anatrehan’ny Farao, saingy ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita hiala tao amin’ny taniny izy.


Kanefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta raha tsy terem-pahefana mahery.


Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.


Ary ny TOMPO nanamafy ny fon’ny Farao; koa arak’izay efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy, dia tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna izy.


Koa izay tian’Andriamanitra hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo.


Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna; fa ilay TOMPO Andriamanitrareo efa nahatonga azy hidrikina sy ho mafy fo mba hanolorany azy eo an-tananareo, tamin’izany andro izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra